Maty tsy tra-drano : mpitondra bisikileta notetezin’ny kamiao

Tafasitrika tao ambany kamiao, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray tao Antsirabe, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy sasany.

Namoy ny ainy teo no ho eo, lehilahy iray voahi­tsaky ny fiara tao Vato­fotsy, kaominina Antsirabe, omaly. Nitondra bisikileta io raim-pianakaviana io. “Avy any atsimo nikasa hianava­ratra io mpitondra bisikileta
io. Nifanoha-dalana azy ny kamiao lehibe iray mpitatitra entana”, hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny kaomisaria ao an-toerana. Tampoka, voafaoka tampoka ilay mpitondra bisikileta. Nianjera tamin’ny tany, tafatsofoka tao ambanin’ny kodiaran’ilay kamiaobe izy. Notetezin’ny kodiarana ny lohany. Fisaka tanteraka ilay niharan-doza. Nipitika teo amin’ny arabe ny kodiaran-droa nentiny. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny fifamoivoizana tao an-toerana, ny mpitandro filaminana. Na­terina eny amin’ny tranom-patin’ny CHRR Vakinanka­ratra ilay namoy ny ainy. Noha­zonina atao famotorana ny mpamilin’ilay kamiao.
Am-polony naratra

Ankaotra io, nifampitadiavana ny mpamily sy ny mpanampy azy, izay tompon’atoka tamin’ny fivadihana taxi-be zotra E, teny By-pass, afakomaly. Vao mangiran-dratsy, nanampatra ny hafainganam-pandeha sy nanararaotra ny lalana malalaka ny mpami­lin’io fiara fitateram-bahoaka io. Nivadika tampoka ny fiara. Mpandeha am-polony naratra ary mpandeha an-tongotra iray voa mafy teo amin’ny tongony. Nandositra ny mpamily sy ny mpanampy azy taorian’ny loza. Manao ny fanadihadiana ny polisy. Tsy nisy aina nafoy nandritra ity loza teny By-pass ity.

Tsiferana R.

Partager sur: