Tratra teny Anosizato : naiditra am-ponja ilay kolonely sandoka

Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy nisandoka ho kolonely teny amin’ny kaominina Anosizato, ny 10 desambra lasa teo. Nanao fanamian’ny Tafika Malagasy io lahian­titra io. Nanao ny asany teny an-toerana, nandamina ny fifamoivoizana ny zandary ka nanakaiky ireo mpitandro filaminana ireo io lehilahy io. Nitonon-tena ho manam-boninahitra kolonely izy tamin’io fotoana io. Nampiahiahy ny zandarimaria am-perinasa anefa ny fihetsik’io lehilahy io. Voatery nitaky ny karatra maha miaramila azy teny amin’io nilaza azy ho manam-boninahitra io ny zandary nandrindra ny fifamoivoizana. Tsy nanana izany ilay nilaza ho kolonely. Namingavinga ireo mpitandro filaminana nisava azy izy. Nentina natao famotorana teny
anivon’ny biraon’ny zandary. Natolotra ny fampanoavana ka notanana vonjimaika any am-ponja. Voamarina rahateo fa mpisoloky hatry ny ela ity sarona ity.

Tsiferana R.

Partager sur: