Mois : décembre 2024

Taom-pahavaratra : Narafitra ny tetiandrom-pambolena

Hifarana anio ny atrikasa fandrafetana ny tetiandrom-pambolena ho an’ny taom-pahavaratra 2024-2025, ao amin’ny Ecole de formation des techniciens agricoles (EFTA) Ambatobe, izay naharitra hefarana. Hetsika tohanan’ny tetikasa fampifanarahana ny sehatra fambolena amin’ny fiovan’ny toetr’andro (PrAda-GIZ). Tanjon’ny atrikasa ny famolavolana ny tetiandrom-pambolena isam-paritra ho an’ny taom-pambolena 2024-2025 ka nafototra amin’ny voly […]

Youth Connekt Afrika 2025: Vonona tanteraka amin’ny fampiantranoana i Madagasikara

Efa mipetraka avokoa ny fandaminana rehetra momba ny hetsika ho an’ny tanora eto Afrika, izay hatao eto Madagasikara, ny taona 2025. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny Fana­tanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry, fa efa vonona tanteraka i Madagasikara amin’ny fampiantranoana ny fivoriambe faratampony ho an’ireo […]

INDRAY MIJERY

Nanatanteraka atrikasa niarahana tamin’ireo talen’ny toeram-pampiofanana, misehatra amin’ny secteur Textile Habillement et Accessoires (THA) miisa 37 sy ny « responsables en insertion et orientation » ao amin’izy ireo ny direction de l’Apprentissage et de la formation Initiale ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tanjona ny hananganan’ireo toeram-piofanana […]

Fitahirizam-baksiny – USAID Impact : Nanolotra vata fampangatsiahana miisa 17

Nidina tany Toamasina ny talen’ny USAID vaovao, Mi­chele Russell, nanolotra vata fampangatsiakana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 17 sy efitra voavoatra fitehirizam-baksiny. Nandray izany ny minisitry ny Faha­salamam-bahoaka, Randria­manantany Zely. Amin’ny alalan’ny tetikasa “USAID Im­pact”, izay tanterahin’ny PSI Madagascar no nanolorana ireo fitaovana. Hatramin’ny taona 2018, nahatratra 14 ny générateurs […]

Krismasy : nizarana kilalao ny ankizy ao amin’ny Seba

Ankizy 216 ao amin’ny Akany Fianakaviana miarina na Seba Isotry no nisitraka kilalao avy amin’ny tetikasa Ankizy Krismasy (TAK), omaly, niarahana tamin’ny minisiteran’ ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. Fanomezana avy amin’ny ankizy any Amerika ireo zaraina amin’ny ankizy eto Madagasikara ireo. Misantatra sahady ny fetin’ny Krismasy ireo […]