Mivoaka tsikelikely ny vokatra avy amin’ny Ceni. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, mitarika vonjimaika ny kandidà Harilala Ramanantsoa. Mitarika vonjimaika ny kandidà Harilala Ramanantsoa, ho an’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eto Antananarivo Renivohitra. Manana salanisa 48,01% izy, araka ny fironam-bokatra navoakan’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly hariva. […]
Mois : décembre 2024
Oniversiten’Ankatso : Mpianatra 240 navoaka tamin’ ny fomba ofisialy
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy sy notolorana ny mari-pahaizana « Master2 » teny anivon’ny fakiolten’ny Siansa, Oniversiten’Ankatso afakomaly ireo mpianatra. Manodidina ny 240 teo ho eo izy ireo, izay nanaraka ny lalam-piofanana Physique-Chimie, Science naturelle ary Mathématiques. Fanamby goavana ataon’izy ireo ny fanomanana ny «doctorat ». « Mbola voalohany ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy tahaka […]
Vih/Sida: Tsy ampy ny fitaovana hisorohana ny fiparitahan’ny aretina
Nisy ny atrikasa nataon’ny fikambanana Sycavi, omaly, tetsy Antanimena. Nentina nanolorana ny vokatry fanadihadiana nataony mahakasika ny Vih/Sida. Tanjona ny hahafahana mitondra ny hetahetan’ny olona eny ifotony. Tsy ampy ny fisitrihan’ny olona ireo fitaovana natao hiarovana sy tsy hiparitahan’ny tsimokaretina Vih/Sida eto amin’ny Nosy. « Tafiditra ao anatin’izany, ny fimailo, ny […]
Fiatrehana ny loza: Ireo karazana loko fanairana
Mampahatsiahy ny BNGRC ny amin’ireo karazana loko fanairana amin’ny filazana loza rehefa misy faritra andro ratsy na rivodoza amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao. Ho an’ny loko maitso dia filazana fanairana, 2 ka hatramin’ny 5 andro mialoha’ny handalovan’ny rivodoza. Mila miomana amin’ny fanamafisana ny tafo sy ny varavarana, tapahina ny hazo mampidi-doza […]
Faha-40 taonan’ny TPLA: Hitondra fanavaozana amin’ny fitsaboana ny radio niomerika
Nifarana omaly ny fankalazana ny fanamarihana ny jobily faha-40 taonan’ny Tobim-pitsaboana loteranina Ambohibao (TPLA). Notokanana tetsy amin’ny TPLA Ambohibao ny fotodrafitrasa izay nasiam-panavaozana, natao ho tsangam-baton’ny faha-40 taona, toy ny trano fitarafana sy ny trano fiterahana ary ny fahatongavan’ny radio niomerika. Tsangambato faharoa ny fananganana ny toeram-pivavahana ao amin’ ny […]




