Mois : décembre 2024

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, teny Anosy, ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara, Roland Kobia, ny fiandohan’ny herinandro teo. Noresahina nandritra ny fihaonana ny fampahafantarana ireo ezaky ny minisitera sy ireo laharam-pahamehana ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana, ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo mpampianatra, ary ny fanatsarana ny […]

Kaominina Ivato: Mitarika ny kandidà Penjy Randrianarisoa

Raha ny vokatra vonjimaika ao amin’ny kaominina Ivato dia mandresy indray ny kandidà Randrianarisoa Penjy, laharana faharoa tamin’ny biletà tokana. Mitarika amin’ny isam-bato 36,28% ny tenany. 782 kosa ny elanelam-batony amin’ny kandidà manaraka izay manana ny salanisa 27,71%. Naharesy lahatra ny olona nifidy an-dRandrianarisoa Penjy ny asa vitany sy ny […]

RIVODOZA Chido: Manalavitra ny morontsirak’ i Madagasikara

Tamin’ny 5 ora sy sasany, omaly hariva, tany amin’ ny 135 km avaratra atsinanan’Antsiranana no nisy ny foiben’ilay rivodoza mahery vaika Chido. Niakatra ho 185 km isan’ora indray ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 260 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Mizotra mianandrefana somary atsimo andrefana izy amin’ny hafainganam-pandeha 23 […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny « Joy& Mercy ». Fampi­se­hoana evanjelika iarahana amin’ny antokom-pihira The Singers of Jesus izy ity. Ho hita ao avokoa ireo hira nahafantarana ity antokom-pihira ity. Hisy ihany koa ny zava-baovao nomanin’izy ireo ho an’ny mpankafy azy mandritra io fampisehoana io. Mbola vitsy ihany […]

Madagaslam : Mitohy hatrany ny fampivelarana ny Slam

Ny eny amin’ny Cercle Ger­mano Malagasy (CGM) Ana­lakely sy eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba indray no handray ny Madagaslam section Tanà, amin’ity anio ity. Hetsika maro samihafa mifantoka amin’ny Slam poésie no ho hita mandritra izany. Ani­san’izany ny atrikasa fanora­tana, misy ihany koa ny sehatra ahafahana maneho ny […]