Herinandro katroka, amin’ny heriny anio no hisafidy izay ho ben’ny Tanàna ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy. Efa samy vonona ny mpilatsaka hofidina sy ny mpanohana azy. Mitohy anaty filaminana ny fampielezan-kevitra, amin’ ny ankapobeny. Ny fifampihantsiana am-bava no maningantsingana eny antsefatsefan’ny fanehoan-kevitra eny. Taratry ny demokrasia daholo izany! […]
Mois : décembre 2024
Ceni: “Tsy maintsy atao an-kitsim-po sy mangarahara ny fifidianana”
Nisy ny atrikasa ho fisorohana ny olana momba ny fikirakirana voka-pifidianana, tany Antsirabe, nifarana omaly. Tsy maintsy atao mangarahara ny fifidianana, araka ny nambaran’ny Ceni nandritra izany. “Fototra iorenan’ny demokrasia sy fampiharana mivantana ny fitsinjaram-pahefana eto amin’ ny firenena ny fifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsaina”, hoy ny filoha lefitra […]
Fanondranana olona any Chine : Naiditra am-ponja ireo atidoha
Tratra, notanana any am-ponja avokoa, ireo efa-bavy mpanondrana olona antsokosoko mankany Chine, afakomaly. Voasambotry ny mpitandro filaminana miasa ao Ivato, ny 15 novambra lasa teo, ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ka nahafahan’ny zandary nanokatra fanadihadiana. Nahazo volabe an-tapitrisany ireo mpisoloky. Halefa hanambady sinoa ireo vehivavy nangalana vola teto an-toerana. Fijaliana […]
Halatra kobalta sy nikela ao Ambatovy : namoahana didy fampisamborana ny voampanga
Tohivakana hatrany ny halatra kobalta sy nikela ao amin’ny tetikasa Ambatovy, ao Antanandava, ny taona 2023. Manimba endrika ny firenena malagasy eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena izany. Ny talata 26 novambra 2024 teo, tokony hiakatra fanindroany ao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina ity raharaha halatra […]
Sefo fokontany ny iray : Tratra ireo jiolahy nanolana tambabe
Aiza ihany ilay lalàna momba ny famosirana? Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny 2 desambra teo, ny sefo fokontany iray sy ny jiolahy roa hafa tompon’antoka tamina fanolanana tambabe. Nanamparan’ny jiolahy ny filan-dratsiny ny tovovavy iray 23 teny Andranotapahana Ambohidratrimo, ny 15 oktobra 2024 alina. Nifandimbiasan’izy telo naolana io tovovavy […]




