Mois : décembre 2024

SOMBIM-BAOVAO

Nivarina any amin’ny laharana fahadimy ny ekipan’ny Manchester City, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre “Premier League”, taranja baolina kitra. Tsiahivina fa resin’ny Liverpool tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo, omaly. Ny ekipan’ny Liverpool izay mitana ny laharana voalohany amin’ity fifanintsanana ity. Nahazo fandresena tamin’ny isa 1 no […]

Run – Final Round : Tompondakan’i Madagasikara i Bobo

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Base aéronautique 213 Arivonimamo, ny dingana fahadimy sady farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny Run na ny Final Round. Voahosotra ho tompondaka fanindroany indray Boarilaza Herizo (Bobo), nitondra ny fiara Mitsubishi Evo V avy amin’ny klioba BRC. Tontosany tao anatin’ny 9, […]

“Basikety-Africa Cup 3×3” : nomen’ny filoham-pirenena “prime” ny Ankoay

Noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly, ny Ankoay. Vao avy nandrombaka ny amboaran’i Afrika 3X3 izy ireo. Nahazo fanomezana avokoa ny mpilalao, ny mpanazatra sy ny staff teknika. Tsy niandry ela, ny ampitson’ny fandresena dia efa noraisina teny amin’ ny Lapam-panjakana Ambohi­tsorohitra ireo mahery fo malagasy, nitondra […]

INDRAY MIJERY

Sampam-panofanana maro no nahafahan’ireo tanora amam-behivavy miisa 10 323 nisoratra anarana hiatrika ny fiofanana faobe amin’ny « Fijery hafa ». Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, any Toamasina. Nahandro, Informatika, Mécanique auto, Mécanique moto, Fikirakirana hazo, Zaitra ireo lalam-piofanana natolotra. Manomana ny Comission nationale d’habilitation (CNH) ny eo anivon’ny […]