Mois : décembre 2024

Akany Sejafa Farafangana : Voaray ny vatsy ho an’ireo ankizy varira

Avy hatrany dia natolotra ny talen’ny akany Sejafa, mitaiza ireo ankizy manana fahasembanana sy ireo manana toetena varira ao farafangana, ny fanampiana azo nandritra ny tolo-tanana natao tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nahatratra 1 551 900 Ar ny lelavola voaangona nandritra ny 3 andron’ny hetsika. Teo koa ny vary sy ny kojakoja […]

Fivorian’ny SADC tany Zimbabwe : nidinika momba ny fiatrehana ny El Nino

Notanterahina ny herinandro lasa teo, tao Victoria Falls Zimbabwe, ny fivorian’ireo minisitra misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza, avy amin’ireo firenena 16 mandrafitra ny vondrona SADC. Nandray anjara i Madagasikara ary nitarika ny delegasiona ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, Razafiarison Jean Jugus. Hakana fanapahan-kevitra momba ny lohahevitra maromaro […]

Fifehezana ny fihetseham-po : Tanora 100 nahazo fiofanana teny Mahamasina omaly

Nanaraka fiofanana momba ny fifehezana fihetseham-po ny tanora 100, nofantenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, omaly. Tafiditra amin’ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy izany. Mitohy ny hetsika 16 iadiana amin’ny herisetra. Nisy ny fampiofanana tanora miisa 100 omaly, teny Mahamasina. Niom­pana tamin’ny […]

Fikirakirana vola niomerika: Miara-miasa ny Airtel money sy ny sekoly Emit

Mitohy sy nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa Airtel money sy ny sqekoly ambony mahakasika ny fitantanana sy ny fikarohana teknolojia, Emit Fianarantsoa. Anisan’ ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana ny fahafahan’ny mpi­anatra mampiasa ny vola niomerika, toy ny fandoavana ny saram-pianarana amin’ny Airtel money. Tsotra, haingana sady azo antoka. Tafiditra ao anatin’ny […]

PLFI 2025: laharam-pahamehana ireo fotodrafitrasa goavana

Lany tsy nasiam-panovana sy tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimieram­pirenena sy ny Antenimieran­do­holona ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) ho an’ny taona 2025. Mifanojo indrindra amin’ny vinam-pirenena sy fanarenana ireo fotodrafitrasa samihafa mandrafitra ireo fandaharanasa ao anatiny. « Hita taratra ao anatin’ny PLFI ny hanaovana laharam-pahamehana ny olan’ny Jirama », hoy ny solombavambahoaka […]