Mois : décembre 2024

Famokarana trondro: 307 000 taonina ny filana isan-taona

Mbola ambany ny taham-pamokarana trondro eto amintsika. Ny taona 2023, manodidina ny 30 000 taonina ny vokatra azo raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 307 000 taonina ny filana isan-taona. « Manana tombony amin’ny famokarana trondro i Madagasikara amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa misy eto amin’ny firenena », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena […]

Indostria: miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena

Mandray anjara 17% amin’ny harinkarena faobe eto Madagasikara ny sehatry ny indostria sy ny fandraharahana. Tanjona ny hampakarana izany hatrany amin’ny 30% noho izy antoky ny fampandrosoana ny toekarena. Tafiditra ao anatin’ny vi­nam-pirenena ny hampiroborobo ny indostria sy ny fandraharahana. « Ampirisi­hina ny tanora handraharaha, ny indostria ihany koa no ha­ha­fahantsika […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN 6, fivilian-dalana any amin’ny tetezana Ifasy, PK 537+329, nanomboka omaly hariva. Tapaka mantsy ny lalana, taorian’ny orambe ny alahady teo. Mitohy ny asa fa­nam­boaran’ny orinasa Colas, ary misy ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Misitraka herinaratra avy amin’ny masoandro ny […]

Fanabeazana ara-bola: ampirisihina hampiasa vola ny olona

Niompana tamin’ny fanabeazana ara-bola ny fivoriamben’ny mpikambana ao amin’ny sampana ara-bola madinika na mikraofinansa Smmec, ny sabotsy teo. Ni­ompana tamin’ny fanomezana azy ireo hahay hitantana ny volany araka ny tokony ho izy ny fiofanana, naharitra adiny iray sy sasany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampirisihana azy ireo hitahiry sy hampiasa vola. […]

Harena an-kibon’ ny tany: misy ny fikaonandoha mahakasika ny fitrandrahana vaventy

Hatao manaraka ny vanim-potoana ny lalàna mahakasika ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara (LGIM). Ilaina izany taorian’ny nanavaozana ny lalàna ny jolay 2024 teo. Natao teny amin’ny efitrano malalaka, Mining Business Center (MBC) Ivato, omaly 2 desambra, ny fikaonandoha mahakasika ny fitrandrahana vaventy ny harena ambanin’ny tany. […]