Roa volana nifampitadiavana, ankizivavy varira 12 taona avotry ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Behara, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Nalain’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Mokabe, distrikan’i Toalagnaro, io ankizy io tamin’ny 13 oktobra 2024. Nanao fikarohana ny fianakaviany sy ny mpitandro filaminana ka nisy tamin’ireo olon-dratsy tra-tehaka tamin’io andro io. Nentina […]
Mois : janvier 2025
RN2: Namoy ny ainy ny mpamilin’ilay 4×4
Namoizan’aina olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo ao amin’ny PK 79 +200, tao Ampoarana, fokontany Ambodimanga, kaominina Sabotsy Anjiro, distrikan’i Moramanga, ny alahady 19 janoary tolakandro teo. Niainga avy any Moramanga, nikasa hihazo an’Antananarivo Renivohitra, ny fiara tsy mataho-dalana iray marika Galloper. Nandalo fiolanana, nandeha mafy ny fiara ka […]
Ambohipo : maty tsy tra-drano ilay mpitondra moto
Nidona tamin’ny andrin-jiro, maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra moto teny Ambohipo, afakomaly. Nivoa-dra ny sofin’ilay lehilahy nitondra moto ka nitarika tamin’ny famoizany aina, teo Ambohipo, ny alin’ny alahady teo, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nitaingina kodiarandroa, nandeha mafy ity lehilahy ity ka nifatratra tampoka tamin’ny andrin-jiro teo amin’ny […]




