Lehilahy maty vokatry ny fifampikasihan-tanana nateraky ny ady tany ary efatra naratra tao Kianjamiarina, kaominina Tsinjoarivo, afakomaly. Fianakaviana roa samihafa ity nitrangana fifanolanana momba ny lova ity. Nanomboka tamin’ny taona 2022 izy ireo no nifanditra teny anivon’ny fitsarana. Nahazo rariny ny andaniny saingy tsy nanaiky ka nanenjana ny ankilany. Nifandrihoriho […]
Mois : janvier 2025
Noho ny aretina nitaiza azy: lehilahy hita faty nihantona tamin’ny tady
Lehilahy iray hita faty nihantona tao an-tranony, ao Andavadopy, fokontany Ambohipanasina, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrika Ambohidratrimo, omaly tolakandro tamin’ny 1 ora. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany Ambohipanasina ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria momba ny fisian’ity fatin’olona mihantona amin’ny tady ity. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy […]
Sombim-baovao
Manana hetsika lehibe iray, amin’ity taona 2025 ity, ny taranja bisikileta. Hampiantrano ny lalaon’ny ranomasimbe Indianina ny federasiona, ny volana aogositra ho avy io, raha tsy misy ny fiovana. Tsy mbola fantatra mazava anefa ny mpilalao hanao izany. Araka ny fikarohana natao, hiverina hanao fanazarantena ao amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga, […]
Rugby XXL Top 12 « Vonona ny hanala vela ny TFMA », hoy ny Coach Loda
Hitohy ny 16 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana hahafantarana izay hanao ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, XXL Top 12, taranja Rugby. Anisan’ireo klioba hiatrika izany, ny TFMA Ankasina, ny Tam Anosibe sy ny Uscar, ary ny TFA Anatihazo. « Vonona tanteraka ny […]
Taranja tolona – ekipa nasionaly: hanomboka ny fampivondronana
Manana vina ny hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena maro ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), tarihin-dRaveloson Mamitiana. Nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, omaly, fa hiatrika sahady ny fampivondronana ny ekipa nasionaly izy ireo, ny faran’ny volana janoary, ka ireo izay nahazo ny laharana roa na telo voalohany isan-tsokajy tamin’ny fifaninanam-pirenena teo no miatrika […]




