Mois : janvier 2025

Rivodoza: Dikeledy Hiditra any avaratry ny Nosy, rahampitso

Tombanana hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy ilay rivodoza Dikeledi, rahampitso tolakandro na alina, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Heverina ho rivodoza mahery mihitsy izy amin’izay fotoana izay satria hahatratra 130km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy. Mihatra ny filazana loza miloka maitso ho […]

Fiahiana sosialy 2025: mitohy ny fanohanana amin’ireo tetikasa

Nanao tatitry ny asa vita ny minisiteran’ny Mponina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fiahiana ny maha olona ka anisan’ny minisitera manana andraikitra goavana ity minisitera ity. Manodidina ny 900 000 ireo tokantrano misitraka ny “Tsimbina” ary mbola mitohy ny fizarana izany. Manodidina ny 200 […]

Fahasalam-bahoaka: mitentina 24 miliara Ar ny tohana ho amin’ny taona 2025

Nahomby ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka nimasoan’ny fanjakana tamin’ny taon-dasa. Hitohy izany ary mbola mipetraka hatrany koa ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ny vonjy aina voalohany eny amin’ny tobim-pahasalamana. Nisongadina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa mitentina 24 miliara Ar ny vola entin’ny fanjakana hanohanana ny ara-pahasalamana eto […]

Fampirantiana hosodoko etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Mpanatalenta 17 no mampiranty ny sanganasany eny an-toerana. Mandray anjara amin’ilay hetsika iraisam-pirenena, amin’ny fanatrarana ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra izy ireo, izay miainga avy any amin’ny ZeeArts any Dubaï. Nisy ny fikotrehana nandritra ny 24 ora, namoahan’ireo mpa­nakanto ny aingampanahiny. Revy Lôlô sy […]

Manomboka mivelatra amin’ireo firenena afrikanina hafa

Vokatra voalohany anisan’ireo nahaliana ny eto an-toerana sy ny any ivelany ny « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». Taorian’ireo fifaninanana maro natrehiny sy ny amboara maro norombahiny, mitohy hatrany ny fampivelarana azy. Taorian’ny fitetezam-paritra teto Madagasikara, nampahafantarana ny horonantsary « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». Mitohy any amin’ireo firenena afrikanina hafa ny fandefasana ity […]