Amin’ny 19 janoary izao, eny amin’ny FLM 67 Ha, ny famindram-pitantanana ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM). Ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raelison Jean de Dieu, indray no ho filoha, araka ny fifandimbiasam-pitantanana. Izy no mandimby ny filohan’ny FLM, ny pasitora Rakotozafy Denis. Ny fifidianana loholona indray no miandry ny […]
Mois : janvier 2025
Ratsirahonana Lalaina : «Aoka samy hiasa sy handray ny andraikitra manandrify azy»
“Samia manetry tena sy mahay mifamela heloka isika Malagasy. Aoka samy hiasa sy handray andraikitra amin’ izay toerana misy antsika tsirairay avy”, hoy Ratsirahonana Lalaina. Naneho hevitra manoloana ny zava-misy iainan’ny Malagasy ny tenany nandritra ny firariana soa noho ny taona vaovao. Ankoatra izay, tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany ihany koa […]
Tsy mahalala menatra
Hifarana amin’ity herinandro ity ny fotoana fialantsasatra. Hiditra hianatra ny mpianatra amin’ny alatsinainy. Hiverina miasa tanteraka ny mpiasa. Mitohy ny raharaham-pirenena. Manohy ny asany ny mpitondra fanjakana. Hiverina amin’ny alarobia izao ny filankevitry ny minisitra. Midika izany fa miditra amin’ny fanodinana ny raharaham-panjakana sy ny fiainam-bahoaka ireo mpindrana fahefana. […]
Vahoaka miray : «Hatambatra amin’izay ny lalan’ny mpanohitra»
Nisy ny fihaonana teo amin’ireo antoko mivondrona ao anatin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, omaly, teny Bel’Air. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo ny fijoroana manoloana ny tsy rariny iainan’ny Malagasy. “Tsy hoe miady ny mpanohitra, fa samy nitarika tany amin’ny nandehanany fotsiny. Tokony hatao iray amin’izay ny handehanana, […]
TSELATRA
Efatra no maty, olona iray namono tena, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona, tany amin’ny distrikan’Antsirabe, faritra Vakinankaratra, raha ny tatitra voaray omaly. Raha ny fantatra, maty vokatry ny fibobohana toaka diso tafahoatra ny olona roa tamin’ireo. Maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana kosa ny iray hafa. Azo lazaina fa nilamina […]




