Tsy misy fiovana fa manohy hatrany ny fitetezam-paritra fanaony ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ ny Kung fu. Amin’ity taona 2025 ity, any amin’ny ligin’ny Vakinankaratra no hisantarana izany fitetezam-paritra izany, tarihin’ny Grand Maitre Avoko. Ny sabotsy 11 sy alahady 12 janoary no hanaovana ity hetsika ity ka efa misy ny […]
Mois : janvier 2025
Handball – Tamberina 2024: Tsy ampy serasera ny federasiona
Miezaka hatrany ny komity mpitantana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny handball (FMHB), eo amin’ny fampiroboroboana ny taranja raha tamin’iny taona lasa 2024 iny. Na eo aza izany, mbola manana fahasahiranana izy ireo eo amin’ny serasera. Vokany, tsy tonga ny mpijery na maimaimpoana aza ny fidirana. Etsy ankilany, betsaka ireo tanora efa […]
Barea de Madagascar: Hanao lalao fanomanana efatra, hiatrehana ny Chan 2024
Zava-dehibe ho an’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) ny “Chan 2025”. Hisy lalao sedra miisa efatra hataon’ny Barea ho fanomanana izany. Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Andrefan’ Ampbohijanahary, omaly i Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nambarany tamin’izany fa hatao matotra ny fanomanan’ny Barea de Madagascar ny […]
Fiovan’ny toetr’andro : Nihemotra ny fotoana hanetsan’ ny tantsaha amin’ity taona ity
« Mihemotra ny fotoana hanetsan’ny tantsaha amin’ity taona ity noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fisian’ny orana», hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary, omaly, raha nanontaniana. Mijaly ny ankamaroan’ny tantsaha any amin’ny disitrika maro ary anisan’izany ny any Faratsiho. Na dia teo aza ny orana nilatsaka […]
Asa tanana vita amin’ny hoditr’omby : Olan’ny mpisehatra ny fahavitsian’ny akora fototra
Misedra olana ny mpanao asa tanana vita amin’ny hoditr’omby, amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana. Mihavitsy ny akora fototra alaina eny anivon’ny abattoir na toerana famonoana omby eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Nambaran’ireo mpivarotra fa efa misy mamandrika mialoha izy ireny ka tsy mahazo ny tsara intsony ny […]




