Nofanina momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy ny mpiantsehatra 26 avy amin’ny distrikan’i Toliara, Sakaraha, Betioky ary Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana. Nikarakara ny hetsika ny mpiandraikitra ny VBG eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina niaraka amin’ny UNFPA sy ny Fisa. Nanohana koa ny Brigade féminine de Proximité ao […]
Mois : janvier 2025
Fitaizana zaza: Efa misy ny tolotra mankany an-trano
Fahasahiran’ny ray aman-dreny amin’izao fotoana izao ny mitady mpikarakara ny zanany. Noho ny fitadiavana isan’andro dia tsy manam-potoana ho an’ny ankizy izy ireo. Manoloana izany, efa misy ny fikambanana manome tolotra mifanaraka amin’ity karazana filana ity. Anisan’ ireny ny Fikambanana mikarakara zokiolona sy miahy ara-tsosialy eto Madagasikara (Fimibeama) eny Ambodivondava […]
Taona 2025: Alakamisy ny ankamaroan’ny andro tsy fiasana
Araka ny tetiandro ao amin’ny alimanaka taona 2025, mahatratra 12 andro no tsy iasana eto amintsika mandritra ny taona. Ny sabotsy 8 marsa no voalohany, hanamarihina ny Andro momba ny zon’ny vehivavy. Efa andro tsy iasana ny sabotsy ho an’ny ankamaroan’ny mpiasa ankoatra ireo sehatrasa sasany amin’ny sehatra tsy miankina. […]
Oniversiten’i Fianarantsoa: Nametrahana ny tetikasa Madatlas
Anisan’ny misitraka ny tetikasa Madatlas ny Oniversiten’Andrainjato. Angady nananana izany ny Fandaharanasa “Partenariats académiques Afrique-France”. Oniversite iray hanatanterahana ny tetikasa Madatlas ny ao Fianarantsoa. Tetikasam-panofanana iarahan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ny Université de Gustave Eiffel, ny Université de Bordeaux Montaigne ary ny Institut de recherche pour le développement (IRD). Nanomboka ny […]
Zavakanto : Mila beazina ny mpanjifa
Nanjary sarotra ny mamaritra ny hoe «zavakanto»? Anisan’ny antony mahatonga izany ny gaboraraka ao anatin’ny zavakanto. Na ireo ray aman-dreny heverina fa aro riaka voalohany aza, tsy mahavita mananatra ny zanany intsony. Tahaka izany koa ny any an-tsekoly sy eny anivon’ny fiarahamonina. Mila beazina ny mpanjifa ny zavakanto. Ampahafantarina azy […]




