Mois : janvier 2025

Faran’ny taona sy taom-baovao: Fotoana namangiana ray aman-dreny sy niarahan’ny mpianakavy nifety

Zava-dehibe ho an’ ny ankamaroan’ny Malagasy ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Fo­toana nanomezana sehatra nahafahan’ny mpianakavy niara-nifety sy namangiana ireo ray aman-dreny mbola velona ihany koa io fotoana io. Miezaka mankalaza ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao miaraka tamin’ny fiankaviany ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Nampifaly ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsikera ny tsy fahaiza-mitantan’ny filoha Rajoelina Andry ny lahatenin’ny filohan’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, afakomaly. “Tsy maintsy hiakatra ny vidim-piainana , ary ho mafimafy kokoa izany vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra”, hoy izy. Nohitsiny fa lasa voalohany amin’ny fahantrana ny vahoaka malagasy. Taona niainana fangirifiriana sy fijaliana ny […]

Taona hitondrana soa

  Hitondra soa sy fanambinana anie ny taona vaovao. Izay mandrakariva ny faniriana sy firariantsoa isaky ny tonon-taona toy izao. Eo koa ny hoe ho taon-jina, ho taom-pahombiazana, ho taom-pahasambarana… Ho tonga sy ho tanteraka ho azy amin’izao ve izany rehetra izany? Raha ny marina, tsy ny taona no hitondra […]