Mois : janvier 2025

TARATRY ny KANTO

“Mahiratra aho”, tontolo andro ho an’ny soratra mivoitra. Hotontosaina ny sabotsy 1 febroary izao ity hetsika ity, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Hisy ny fandefasana horonantsary, fampirantiana ary atrikasa manodidina ny tontolon’ny soratra mivoitra, sy hanasongadinana ny maha zava-dehibe azy ho an’ireo olona manana olana amin’ny fahitana. “Isika roa”. […]

Volana febroary : Hanao hetsika misesy ny Sehatra Bagasy

Raha ny vaovao azo farany. Hanatanteraka hetsika roa misesy ny Sehatra Bagasy amin’io volana febroary io. Ny tolakandron’ny sabotsy 1 febroary, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Hanatanteraka ny «Asarama­nitra bagasy» izy ireo sy izay liana amin’ny tontolon’ny ba gasy. Ny sabotsy 8 febroary, hiatrika avy hatrany ny «Totorebika […]

Fespaco – Ouagadougou : Sarimihetsika malagasy roa no hifaninana

Hantenaina hamirapiratra mandritra ny Fespaco, andiany faha-29, any Ouagadougou ny sarimihetsika malagasy. Nahatafiditra roa, amina sokajy samihafa mantsy ireo Malagasy mpanatontosa. Mitohy ny lalan’ny “Si­tabaomba”, horonantsary novokarin’i Lova Nantenaina. Anisan’ireo voafidy hifaninana mandritra ny “Festival Panafricain du cinéma et de la télévision de Ouagadougou”, na ny Fes­paco, andiany faha-29, hotontosaina […]

FANTINA sy FINTINA

Hanatanteraka ny politikan’ny fanovana ny rafi-pamokarana i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny tale mpandrindram-paritry FAO aty Afrika Atsimo sy Atsinanana, i Talla Patrice. Fan­tatra koa fa hapetraka ny paikady iadiana amin’ny valala ka hampiasana angindimby manokana. Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny ben’ny […]

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA : “Tompon’andraikitra voalohany isika…”

Niatrika ny fananganan-tsaina, voalohany niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, omaly tetsy anolon’ny lapan’ny Tanàna, Analakely. Tsotra ary mazava ny toromarika nomeny tamin’izany. “Hiara­ka hiasa isika ary hitady vahaolana hanarenana ny tanàna satria isika no tompon’andraikitra voalohany amin’izany”, hoy izy, nanoloana ireo […]