Nisy ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana anatin’ireo distrika 20 saro-dalana sy mitoka-monina. Teo ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpitsabo mpandidy, narahina fampitaovana haha matihanina ny asa rehetra, ny faran’ ny herinandro teo, teny amin’ny INSPC Befelatanana. Tafiditra amin’ny fijerana ny maha olona sy ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ny asa, izay […]
Mois : janvier 2025
Fampianarana teknika – ONG DSF: Voafonja 156 niofana nanjaitra
Ho fanamafisana ny fitohizam-piaraha-miasa, tonga nitsidika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny filoha nasionalin’ny fikambanana Douleurs sans frontière, Jeanne Vignes, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tetikasa natao hanomezana fanofanana ireo vehivavy voafonja an-dalam-pamaranana ny saziny ka hiverina indray eo anivon’ny fiarahamonina no iarahan’ny […]
VAKY ny fefiloha Ambohimirary Ampitatafika : Tanimbary 350 ha no tondraky ny rano
Taorian’ny fahavakisan’ilay fefiloha Ambohimirary Ampitatafika, nisy avy hatrany ny fampivondronana ireo sampandraharaham-panjakana afaka mifanome tanana amin’ny fanarenana vonjimaika ny fotodrafitrasa. Nifanampy sy manao tantsoroka eo akaikin’ny Apipa amin’izany fanaovana asa fanarenana vonjimaika eo ambany fandrindran’ny BNGRC izany ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimarim-pirenena. Ahafahana mandrindra ny asa rehetra ilaina atao, […]
fanamboaran-dalana: Vita ny 70% ny vahilava Kiembe, Toliara
Tratry ny tondra-drano matetika ny tanàna ao amin’ny fokontany Mahavatse sy Kiembe, distrika Toliara I, satria iva toerana. Mora sarona noho ny fiakaran’ny ranomasina sy ny orambe. Koa, hamafisina ny vahilava Kiembe efa misy, mirefy 1,8 km, mandalo ny seranan-tsambon’i Toliara (PK 2 +400) sady hitarina ho 5 km, mampifandray […]
Fitantanana: Paikady ho an’ny fampiasam-bolam-panjakana
Notanterahina ny alakamisy teo, teny Anosy ny atrikasa hanatsarana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana. Tanjona ny hanatrarana 5% ny harinkarena faobe amin’ity taona ity. Noho izany, nofaritana nandritra ny fihaonana ireo lesoka teo aloha ka nandrosoana vahaolana mitondra mankany amin’ny fanovana ny fomba fiasa. Asa mahitsy, fahavononana, fanoloran-tena, fanarahana ny lalàna […]




