Tontosa ny alarobia 29 janoary lasa teo, teny Ankorahotra, ny fanolorana ireo mpikambana mandrafitra ny birao hitantana ny kaomitin’ny taranja Pancrace eto Analamanga, tarihin’ny filohany, Nova Colombe. Hanome aina indray ity taranja ankafizin’ny tanora malagasy ity, no tanjon’ny mpitantana vaovao ary vonona ny hitondra fampivoarana, tsy ny lafiny ara-batana ihany, […]
Mois : janvier 2025
Volley-2D Analamanga : Hifandona ny GNVB sy ny ASI 1
Hiditra amin’ny andro fahefatra ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja Volley ball, sokajy « 2è division », ny faran’ity herinandro ity. Lalao 8 no hitranga ny sabotsy sy alahady, ka eny amin’ny kianja Akany Sambatra Itaosy no hanaovana ny lalao 4, raha toa ka hatao eny amin’ny kianja Betongolo kosa ny lalao 4 […]
Herintaona ny fifanarahana : Hanazatra ny Barea A i Corentin Martins
Efa nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy Mahamasina, omaly, fa ilay frantsay, Corentin Da Silva Martins no mpanazatran’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsy voaresaka tao ny karamany. “Hiezaka ny tenako mba hampiakatra ny baolina kitra malagasy, ary ny hanaovan’ny Barea de Madagascar Mondial amin’ny 2026”, hoy ilay frantsay mpanazatra vaovaon’ny Barea, […]
FANTINA sy FINTINA
Noesorina tsy ho ambasadaoro any amin’ny Vondrona Eoropeanina sy any Bruxelles, i Beriziky Omer, araka ny didim-panjakana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Tsy mbola notendrena kosa ny hisolo azy amin’izany toerana izany. Nanao tohivakana ireo niarahaba noho ny taona vaovao sy ny nahalany fanintelony indray ny ben’ny […]
Depiote Rajaobelina Lova Herizo : Mitaona ny vahoaka ho tony
“Nanomboka tamin’ny fifidianana depiote no hita hoe misy an’ireo tsy mahazaka ny fandresena azon’ny mpomba ny fitondrana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Moramanga tamin’ny anaran’ny Iramar, Rajaobelina Lova Herizo, tany Moramanga, omaly, ny amin’ny fikasan’ny mpanohitra sasany hanakorontana noho ny tsy fanekena valim-pifidianana. Nitombo izay tsy fahazakana faharesena […]




