Toy ny taranja rehetra, miomana amin’ny fanokafana ny taom-pikatrohana 2025 ihany koa ny taranja lalaon-tsaina Echecs. Ho fanombohana ny taona, ny fifaninanana natokana ho an’ny ekipa sokajy «mixte» no hisantaran’ny Federasiona malagasin’ny lalaon-tsaina Echecs ny fandaharam-potoanany, amin’ity 2025 ity. Araka izany, hisy ny lalao fanokafana ny taom-pikatrohana izay hatao ny […]
Mois : janvier 2025
Fiarovana ny tany : Nofanina ireo mpanao gazety any amin’ny faritra
Ho fanakaikezana bebe kokoa ny vahoaka. Nofanina ireo mpanao gazety any amin’ny faritra mba hampahafantatra ny lalàna eo amin’ny fananan-tany. Miara-miasa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny avy amin’ny Foibem-pitantanana ny sampan-draharahan’ny fananan-tany itsinjaram-pahefana (DSFD) ary ny FAO ho amin’ny fampanjariana izany. Samy […]
INDRAY MIJERY
Noraisin’ny minisitry ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny asam-panjakana ny talem-paritra lefitry ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina (IOM) ho an’i Afrika Atsimo sy Atsinanana, i Nihan Erdogan, omaly. Noresahana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Eo koa, ny fahasahiranan’ireo Malagasy mpifindra monina any Maorisy. Nankatoavina nandritra […]
Fikambanana kristianina : Mampianatra mamaky teny sy manoratra
Fotoana hanasongadinana ny ezaka hampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fianarana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, hankalazaina isaky ny 24 janoary. Araka ny tatitra farany navoakan’ny Firenena mikambana, mbola ankizy sy tanora 250 tapitrisa eo ho eo no tsy mandeha mianatra, ary olon-dehibe 763 tapitrisa no tsy mahay mamaky teny […]
Faritra Atsimo Andrefana : Nohavaozina ny drafitra iatrehana ny loza
Nitondra orana betsaka ho an’i Toliara ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tao an-toerana ary mbola nitohy izany nandritra ny efatra andro izay. Ambany noho ny ranomasina ny toerana misy an’i Toliara ara-jeografika. Noho izany, miakatra ny rano eo an-tampon-tanàna indrindra amin’ireo fokontany manodidina. Tsy ampy anefa ireo fitaovana entina mamoaka rano. […]




