Mois : janvier 2025

Mpikambana ao amin’ny Sadc : Mivory eto Madagasikara ny manam-pahaizana momba ny toetr’andro

Manana solontena tonga eto Madagasikara ireo mpikambana ao amin’ny Sadc manatrika ny fivorian’ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro. Fivoriana izay tanterahina mandritra ny herinandro eny amin’ny Ibis Ankorondrano. Voalohany eto Madaga­sikara no nisian’ny fivorian’ ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro, taona 2025, ho an’ny firenena mpikambana ao amin’ny Vondron’ny firenena aty Afrika […]

TARATRY ny KANTO

Le Manana, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Manomboka amin’ny 8 ora alina ity fiarahana ity, anio. Hizara ny mozika folk misy fototra malagasy, ity mpanakanto ity. Mozika miaina, efa nentin’i Le Manana tanatin’ny tarika Takasy Hasy sy nalefany hisedra ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena izy ireny. Nakatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny […]

“Tena matotra”: Nalahatr’ireo mpankafy ny hiran’i Njakatiana

I Njakatiana, araka ny ni­tiavan’ny mpankafy hatramin’izay… Izay raha tsotsorina ny endrik’ilay fampisehoana “Tena matotra”, hataon’ity mpanakanto ity ny 16 febroary izao, etsy amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. “Nisy fanontaniana napetraka ta­min’ireo mpankafy, izay hira tena handrasan’izy ireo amin’ ny fampisehoana lehibe ha­taon’i Njakatiana tato ho ato. […]

Sendikan’ny mpikarakara seho: “Mila kalitao tsara ny tolotra ho an’ny mpanjifa”

Misy ary manao ny asany ny sendikan’ny mpikarakara seho eto Madagasikara, na ny Synops. Nanamafy ny fanatsarana ny tontolon’ny asany ireo mpikambana, ho an’ity taom-pampisehoana 2025 ity. Maka bahana avokoa ny mpikarakara hetsika. Hisokatra tsy ho ela mantsy ny taom-pampisehoana 2025. Toy ny fanao isan-taona, nanatontosa ny fivoriambe ny Syndicat […]