Kamiao nitondra entana nivadika tao Ankidona, distrikan’i Betioky Atsimo, omaly. Tsy nisy aina nafoy saingy nentin’ny rano avokoa ny entana rehetra tao amin’ilay kamiao. Fatin-dehilahy nisy namono hitan’ny fokonolona tao Ambodimanga Benavony, kaominina Ampasimbe, distrikan’i Brickaville, ny 20 janoary teo. Nahitana ratra ny vatan’io namoy ny ainy io. Voafira antsy […]
Mois : janvier 2025
Anjozorobe : Takalonaina efatra maty notifirin’ny dahalo
Notifirin’ireo dahalo mpaka an-keriny afakomaly, ireo vehivavy efatra takalonaina nalain’izy ireo tao amin’ny tanànan’Ambohibary Vohilena, ny 12 desambra lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy ireo vehivavy, izay 16 taona ny zandriny indrindra raha toa ka 40 taona ny zokiny. Nitaky lelavola 20 tapitrisa Ar isanisany ho sandan’ny famotsorana ireo lasibatra ny dahalo. […]
Ambohitrimanjaka: Rongony 1 taonina nodorana
Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana, nodoran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny rongony nilanja 1 taonina natao teny Ambohitrimanjaka, omaly. Azon’ny mpitandro filaminana noho ny fisavana tampoka sy ny loharanom-baovao tany amin’ny lalan’Antsirabe ireo zava-mahadomelina ireo ny 8 sy ny 10 janoary teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy […]
Lova sy fitiavam-bola: Novonoiny ny reniny
Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Namono nahafaty ilay renim-pianakaviana teny Andavamamba noho ny lova izy ireo. Nidoboka am-ponja, omaly, ilay lehilahy namono nahafaty ny reniny tao an-tranony tetsy amin’ny Cité Anjezika Andavamamba. Rehefa avy niakatra fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly ihany. Voasazy higadra […]




