Miezaka manova sy manome sehatra ho an’ireo olona vonona hitondra fanovana, amin’ny resaka fitantanana ny minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), i Moustapha Marson Abdulah. Notendreny ho mpiara-miasa aminy, ny tale, Randrianarisoa Riana. Tapaka nandritra ny filankevitrin’ny minisitra, ny alarobia lasa teo, fa Randrianarisoa Riana, no voatendry ho tale vaovaon’ny […]
Mois : janvier 2025
FANTINA sy FINTINA
Hapetraka anio amin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Hitarika sy hanotrona izany raha tsy misy ny fiovana ny filoha, Rajoelina Andry. Hotanterahina manoloana ny Lapan’ny Tanàna izany. Hisy, araka izany, ny fahatapahan-dalana manodidina an’Analakely izao maraina izao. Tonga marobe ireo vahoaka tamin’ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny […]
Voka-pifidianana : Hampiakatra fitsarana fandravana didy ny Tim
Mbola hiala nenina. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly fa tsy tokony ho kivy ny mpanara-dia azy ireo manoloana ny voka-pifidianana teto Antananarivo Renivohitra sy ny tany amin’ny faritra. “Tsy mbola tapitra ny lalana fa mbola afaka mametraka fitoriana fandravana didy isika manoloana ny voka-pifidianana hosoka ka hampiakatra ny […]
Fahanginana hafahafa
Inona no zava-miseho? Mahagaga fa dia mangina tanteraka ny tanàna. Tsy andrenesam-peo ny politika. Na mpanohitra na mpanohana fitondrana dia tsy hita be ihany. Izay mba hangatahana fihaonana dia misafidy ny manakombom-bava. Izy angatahina hiresaka an-gazety indray no tezitra. Inona marina no zava-miseho. Ny azo ambara aloha, hita ho […]
Rasoamaromaka Hery : “Azo atao tsara ny mitondra ny tanànan’Antananarivo”
Nilaza ny heviny momba an’Antananarivo Renivohitra ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Nambarany fa ilaina hatrany ny fifampiresahana eo amin’ireo mpanolotsaina. “Azo atao tsara ny mitondra ny tanànan’ Antananarivo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, ny amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra manoloana […]




