Mois : janvier 2025

TSELATRA

Fatin-jazavavy vao nalevin’ny fianakaviany nalain’ny olon-dratsy tao am-pasana ny voamasony, omaly. Nalevin’ny havany afakomaly io zaza io. Nofon­garin’ireo tsy mataho-tody tao anaty vata ilay zazavavy. Lehilahy nisoloky ho mahatafiditra ho zandary voasambotry ny polisy tao Ambositra ka nidoboka am-ponja, afakomaly. Nahazo lelavola hatramin’ny 36 tapitrisa Ar tamin’ireo olona efa nosolokiany […]

Androndra-Ampamantanana: Jiolahy maty voatifitra, roa azo sambo-belona

Ravan’ny polisim-pirenena ny tambajotran-jiolahy ani­san’ireo nikasa handroba tranom-barotra eny Androndra-Ampamantanana, ny alin’ny talata 21 janoary teo. Nihao­dihaody teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Voasam­botr’izy ireo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka io lehilahy tratra io. Nitoroka ny namany izay mody nifangaro tamin’ny fokonolona tao an-toerana anefa […]

Maevatanàna : Roa lahy lasan’ny mpaka an-keriny

Lehilahy roa lasan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ankazomandry, kaominina Mahatsinjo, distrika Mae­vatanàna, ny alin’ny alatsinainy 20 janoary teo, tamin’ny 8 ora. Efa-dahy niampy vehivavy sy ankizy tsy ampy taona niara-tonga tao amin’io tanàna io. Nangataka izy ireo hanaovana sakafo. Nandroso ho alina, nentin’izy ireo natao takalonaina ny lehilahy 40 […]