Nitsidika tamim-pomba fanajana ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo, afakomaly, ny mpisolo toerana vonjimaika, solontena maharitry ny Firenena mikambana (ONU), i Dieng Abdou. Nifantoka tamin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy ity rafitra faratampony maneran-tany ity ny dinika. Voaresaka ireo ho laharam-pahamehana sy fifandrimbonana ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Hatevenina ny […]
Mois : janvier 2025
Namearison Robert : “Ny olom-pirenena no mampandroso ny kaominina misy azy”
Vita ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Hanao ahoana amin’izay ny fampandrosoana ifotony hoe tsy misy kaominina hadino? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny raharaham-pirenena taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna? I Namearison […]
TARATRY ny KANTO
Seho ara-pilazantsara eny amin’ny Trade Tower Icandry. Hotontosaina ny sabotsy 25 janoary izao izy ity, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hanafana ny fotoana i Vero Ranaivoson sy i Bodokely, hotronin’ireo vahiny maro tsy ampoizina. Seho iray hanehoana fitiavana ireo zaza kamboty, tsy misy mpiahy ary manan-kilema, izany satria natao hanampiana […]
Nifarana ny asan’ny komity siantifika : Hampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera
Tetikasa lehibe eo amin’ny lafiny kolontsaina sy vakoka ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Efa maro ny dingana nolalovana, ka mahavelombolo ny asa vita, hatreto. Nanolotra ny tatitra farany ho an’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, tetsy amin’ ny birao fiasany, Nanisana, ny komity siantifika. […]
Eusébia : Hizara ny “Madagascar Afro World”
Nanoritra ny lalany ireo zanaky ny mpanjakan’ny salegy. Niavaka indrindra amin’izy ireo i Eusébia, izay niaka-daza hatrany tato ho ato. Nisedra sehatra iraisam-pirenena maro, nizara ny “Madagascar Afro World” ity tovovavy ity, izay mbola hitohy sy hivelatra bebe kokoa amin’ity taom-pampisehoana 2025 ity. Mialoha izany, hisy ny fihaonany amin’ireo mpankafy […]




