Mois : janvier 2025

VAOVAO TAMBATRA

Vonona hanohana antsika amin’ny famokaram-bary i Korea Atsimo. Eo koa ny indostria vaventy toy ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany ary ny fifanakalozana ara-barotra. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny masoivoho Park Ji-Hyun sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Vita ny fanarenana ny lalana tena ratsy […]

Base Toliara : Manantena fampandrosoana ny mponina

Tsy mitsaha-mitombo ny fankasitrahan’ny mponina voa­kasiky ny tetikasa Base Toliara any ifotony. Anisan’izany ny ao Toliara I sy II, toy ny kaominina Tsianisiha, Belalanda, Ankili­malinike ary Maromiandra. Nisy ny famonoan’omby roa tany Tsivonoe Belalanda ho an’ny mponina sy ny olobe ary ny raiamandreny. « Hanamora ny fisokafan’ny Base Toliara indray ny […]

Firaisankina

  Miaina anatin’ny karazan-tsedra maro ny Malagasy, ankehitriny. Tsy asiana resabe intsony ny lafiny sosialy sy ny toekarena. Iaraha-mahita fa latsaka an-katerena hatrany anaty vilany. Ny hohaninana anio, tadiavina raham­pitso, hoy ny sangisangy zaritenan’ireo bokan-trosa. Tena sahirana ara-pivelomana ny ankamaroan’ny olona. Tsy izany anefa no atao fitaovana hoenti-manakorontana ny firenena. […]

Fandrobana ny harena voajanahary : « Sahia mitoroka, sahia mampihatra ny lalàna », hoy ny AVG

Mankasitraka ny fanjakana nandray andraikitra manoloana ny fandrobana ny harena voajanahary ny vovonana AVG. Nohitsiany koa fa tsy vitsy ny olom-panjakana mitsikomba amin’ny olon-dratsy. Mirongatra ny fandro­bana ny harena voajanahary. Naneho hevitra, omaly, ny Vovonana Alliance Voahary Gasy (AVG), notarihin’ ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA), Razakamanarina Ndranto. Notronin’ny mpikambana. Voalaza fa […]