“Manana vina goavana ny faritra Anôsy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ity taona ity. Handrakotra ala amina velaran-tany mirefy 4 100 ha ny tanjona”, hoy ny governora Rakotovelomanantsoa Voahary. Kendrena amin’izany ny handraisana anjara amin’ny fampitsaharana ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ho famerenana ny tontolo voajanahary ary ho fiadiana amin’ ny […]
Mois : février 2025
Tafakatra 3 688 ireo traboina: Ifarimbonana ny fitsinjovana azy ireo
Tafakatra 3 688 ireo olona traboina, avy amin’ny tokantrano 991, araka ny tatitra nataon’ny BNGRC, omaly maraina. Ao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano avokoa ny 3 666 amin’ireo. Olona 2 936 kosa voatery nafindra toerana. Trano 720 no dibo-drano tanteraka raha 4 no simba. Toerana 5 no handraisana ireo traboina ireo, ny […]
Noho ny rotsakorana : Mikatona ny sekoly amin’ny Cisco sasany eto Analamanga
Hitohy ny rotsakorana saika manerana ny Nosy ary faritra mena ny eto Analamanga, raha ny tatitry ny Meteo. Miato hatry ny omaly sy androany ny fampianarana amina Cisco maromaro eto Analamanga. Tsy mianatra ny mpianatra. Nanapa-kevitra ny Dren Analamanga ny hampitsahatra vonjimaika ny fampianarana amin’ireo Cisco maromaro nanomboka omaly, ho […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 733,2 tapitrisa dolara (2 933 miliara Ar) ny zaitra naondran’i Madagasikara tany Etazonia, ny taona 2024. Izany hoe, 49,3% amin’ireo vokatra fanondrana izany, manaraka azy ny lavanila 20,7%, ny harena an-kibon’ny tany 10%. Ankehitriny, mametra-panontaniana ho an’ny hoavin’ny Agoa ireo orinasa afakaba. Mikasa hanokatra ny habakabaka ho an’ny Air India […]
Fambolen-kazo 2025: Nahavita ny adidiny ny antoko Maitso
Mandray anjara hatrany amin’ny fanamaitsoana ny tontolo iainana ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara. Nofaranany teny Ambatomanga, fokontany Beravina, kaominina Soalandy, ny sabotsy teo, ny fambolen-kazo nataony. « Zana-kazo miisa 15 000 novolena sy naparitaka tamina sekoly sy fiangonana ary lalankely samihafa miditra ny tanàna », hoy ny filohan’ny antoko, Alexandre Georget. Hazo fihinam-boa, […]




