Mois : février 2025

Fitantanana kaominina- Toamasina: Mavesatra ny asa miandry

Niroso avy hatrany amin’ny asa heverin’ny maro fa mavesatra ny ben’ny Tanàna vaovao ao amin’ny kaominina Toamasina, Randriafa­nome­zantsoa Lovaheritiana Alain. Anisan’ny fepetra noraisina ny tsy maintsy nandrodanana ny tranovato naorina eo ambony tetezana ao Mangarivotra. Nanao izany mba hanaovan’ny rehetra fanarahan-dalàna. Tsy hijanona eo fa hitohy amin’ny fandrodanana ireo fanorenana […]

Faritra Vakinankaratra: Mandala ny mangarahara

Manohy ny fomba fiasa nahazatra azy, amin’ny fihaonana amin’ny mpanao gazety, ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra. Nitarika izany ny governora, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa fomba fiasa eo anivon’ny faritra ny fandalana ny mangarahara ka azo noresahina sy nanontaniana avokoa ireo sehatra rehetra eo anivon’ny faritra. Anisan’izany ny lafiny toekarena, ny […]

Faritra Androy: Hatsaraina ny drafi-panajariana ifotony

Mitohy ny hetsika eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tafiditra amin’ny fampandrosoana eny ifotony izany, ho an’ny faritra Androy. Nanatanteraka atrikasa ho an’ny faritra, anisan’ny tantsoroka ara-teknika ho an’Androy, ny eo anivon’ny MFFT. Natao tao amin’ny Camp Flacourt Taôlagnaro ny hetsika, naharitra roa andro. Manohana izany […]