Mois : février 2025

Fampiroboroboana ny toekarena : Miara-miasa amin’i Inde i Madagasikara

Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indianina hatrany i Madagasikara ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hijerena ireo sehatra stratejika ahafahan’izy ireo mampiasa vola. « Ilana ny fanavaozana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana sy ny angovo, izay laharam-pahamehana napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa indianina izany », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy […]

Sidina anatiny : Hihena hatramin’ny 73% ny sarany

Fihenam-bidy. Hihena hatrany amin’ny 73% ny saran’ny sidina anatiny ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Tolotra manankery ho an’ireo mividy tapakila hatramin’ny 23 febroary, araka ny fanambarana nataony. Noho izany, manomboka amin’ny 353 500Ar ny saran’ireo sidina rehetra. Tolotra natao ho an’ireo mamandrika tapakila eo anelanelan’ny volana mey 2024 ka hatramin’ny volana avrily […]

« WGS 2025 »: Karohina ny vahaolana hitondra fampandrosoana

Hamaritra ny tontolon’ny hoavy hisian’ny fampandrosoana ny fivoriambe “WGS” any Dubaï. Karohina ny vahaolana iombonan’ny rehetra manoloana ny fihazakazaky ny teknolojia. Nisokatra ny talata 11 hatramin’ny 14 febroary ny Fivoriambe farantampon’ny governemanta ma­ne­ran-tany (WGS 2025), andiany faha-12, atao any Dubai, Emirats Arabo Mitam­batra (EAU). Fihaonambe, mifototra amin’ny lohahevitra hoe «ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hisy ny ady moraingy goavana hatao eto Antananarivo, eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny 6 avrily ho avy izao, taranja anisan’ny manavanana ny Malagasy, kanefa tsy dia henoheno. Maromaro ny mikarakara ity hetsika ity, ahitana ny Maître Thierry (Boire Noire), Koezy, Tombon’ondry Somany, Sambirano, Pride Gasy, Zokibe Rossy sy ny […]

“World Cola PFL”: Ao anatin’ny heriny ny AS Fanalamanga

Tontosa nandritra ny faran’ny herinandro teo ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Pureplay Football League (PFL)”. Ny ekipan’ny AS Fanalamanga no mitarika vonjimaika amin’ity fifaninanam-pirenena ity, satria izy ireo hatrany no nahazo fandresena, roa tao anatin’ny lalao roa izay natao. Raha hiverenana ny vokatra […]