Nifarana ny alahady lasa teo, tany Maroc, ny lalao fitsapana sady fanazaran-tena nataon’ny Barea de Madagascar, sokajy U17. Tsara ny vokatra satria tao anatin’ireo lalao 5 nataony, nahazo fandresena 3 sy ady sahala iray ary faharesena iray ny ekipam-pirenena zandriny. Nambaran’ireo mpilalao sy mpanazatra fa nahazoana traikefa ary nahafahana nijery […]
Mois : février 2025
Claudine Nomenjanahary : Nahazo medaly volamena teo amin’ny hazakazaka 60 m
Lasan’ilay Malagasy, i Claudine Nomenjanahary, ny tompondakan’i Frantsa, teo amin’ny atletisma fanao anaty efitrano, tamin’ny sabotsy lasa teo. Norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 60 m. Norombahin’ny Malagasy atleta, ao amin’ny club Stade Sottevillais 76, ny medaly volamena sy ny anarana maha tompondakan’i Frantsa, eo amin’ny halavirana 60 m. Hazakazaka […]
21 febroary : Ho very hasina ny tenindreny
Ilay reny mampianatra ny zanany hiteny voalohany mihitsy no tsy manisy hasiny ny tenindreny. 21 febroary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny. Ny paika na tetika hamerenana ny Malagasy hampiasa sy hiaina ny tenindreny no mila karohina haingana. Maninona ny reny no mampiasa ny teny vahiny hiresahany amin’ny zanany? Naninona no […]
Dina Mialinelina : « Tokotany midadasika hanehoana ny forona ny mozika »
Tsara toerana hibata ny “Prix Découvertes RFI 2025 » ny tarika Dina M. Efa manoritra ny lalany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ry zareo. “Rakemba”. Io ny lohatenin’ilay rakikiran’ny tarika Dina M, nivoaka ny faramparan’ny taona 2024 teo. Malaza be, satria maneho ilay « renibe », izay midika fahanterana, voky traikefa ary nahita […]
INDRAY MIJERY
Tsy hisy fiforonana rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritra ny herinandro fa tombanana hahazo vahana kokoa ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanoram-baratra amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy, mandritra ny herinandro. Tombanana ho betsaka kokoa izany ho an’ny afovoantany sy […]




