Mois : février 2025

Fampianarana ambony -Toamasina: 15 taona ny fakiolten’ny Fitsaboana

Nankalaza ny faha-15 taona nijoroany, nandritra ny roa andro, teto Toamasina, ny sampam-piofanana Fitsa­boana, eo anivon’ny Oniver­siten’ i Barikadimy Toama­sina. Notarihin’ny dokotera zokiolona eo anivon’ny sampam-piofanana, Ramawana­soa Marinette, sy ny teo anivon’ny fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny hetsika. “Ny fahasalaman’ny daholobe ho an’ny faritra Atsinanana” no […]

Olana ara-bola : Lasibatry ny famarinan’ olona ny tanora

Mahatonga faharefoana ny tsy fananana fidiram-bola azo antoka, indrindra tsy manana fahaleovantena ara-bola, na ho an’ny tanora na ho an’ny efa manana tokantrano. Mahatonga fiankinandoha amin’ny hafa izany ka lasa vesatra ho an’ny manodidina. “Miteraka fanararaotana ihany koa rehefa tsy manana fahaleovantena ara-bola. Maro ireo tanora malagasy no lasibatry ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa nampidinina eo amoron-drano ny takelaby (bac), hamerenana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-6. Voakasik’izany ny eo amin’ny fivilian-dalana Reniranon’Ifasy (PK 537) sy Mahavavy (PK 568). Mialoha ny hampiasana azy, eo am- pametrahana ny toerana misy ny mpamily (cabine de pilotage). Efa any an-toerana koa ny tomponandraikitra hisahana ny fampandehanana azy […]

Bombetoka-Belemboka.: Faritra arovana vaovao, mahaliana ny mpizahatany

Natao ny 20 janoary 2025 teo, tany Mahajanga, ny fampahafantarana manokana ny lanjan’ny fizahantany any amin’ny faritra arovana vaovao (NAP) Bombetoka-Be­lemboka. Nikarakara ny fotoana ny Ofisim-paritry ny fizahantany Boeny (ORTB). Mampiavaka azy ny fananany ala honko, sy zavatra samihafa azo tsidihina. Toerana 30 km miala an’i Mahajanga, amin’ny RN4. Ahitana […]