Mitohy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ho vita amin’ny oktobra 2025 ny asa fanatsarana ny fikarakarana ny zotra anatiny sy ny fanitarana ny arabe fiantsonana. Vita ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Niaraka nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, sy ny mpiara-miasa aminy. […]
Mois : février 2025
TSELATRA
Tafakatra enina ireo olona voasambotra tamin’ny raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangatamboahangy, ny zoma 21 febroary teo. Efa tazomina sy hanaovana fanadihadiana ary hatao andrimaso eny anivon’ny zandarimariam-pirenena any Ambatofinandrahana izy ireo. Efa nogiazana ihany koa ny basim-borona iray nampiaisan’ireo olon-dratsy. Tsy maintsy hatolotra ny fitsarana avokoa ireo rehetra voarohirohy […]
Nandeha lakana: Tovolahy iray 22 taona, maty an-drano
Lehilahy iray 22 taona, avy niandriaka no maty natelin’ny rano teny Andranoro, fokontany sy kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo, afakomaly tamin’ny 4 ora sy folo minitra tolakandro. Nitondra lakana hazo ary hamonjy fodiana hihazo ny trano fonenany izy tamin’io fotoana io. Niakatra sy somary nahery ny rano teny am-pandehanany ka nivadika […]
Nanindrona compat: Mpianatra 17 niakatra fitsarana
Niakatra fitsarana teo anivon’ny ambaratonga voalohany any Toamasina, ny alatsinainy 24 febroary teo, ny antontan-taratasin’ady lah. faha-198/RP/25 IS/SJ/ARS. Izay naha voarohirohy mpianatra tsy ampy taona miisa 17 avy amin’ny sekoly tsy miankina iray tetsy Tanamakoa. Mpiray tsikombakomba tamin’ny herisetra avokoa izy rehetra ireo. Voasazin’ny lalàna famaizana, laharana faha-311 izy rehetra […]
Nanadio tsikafona teny Anosizato : Lehilahy matin’ny herinaratra tao anaty rano
Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, omaly, teny Anosizato. Main’ny herinaratra tao anaty rano izy nandritra ny fanadiovana tsikafona teo akaikin’ny tranony. Maty, main’ny herinaratra ny lehilahy iray, 32 taona, omaly, tetsy Anjanakolahy, fokontany Anosizato Atsinanana I. Tokony ho tamin’ny 1 ora no nisehoan’ny voina, raha nanadio tsikafona, fitoerana vovo […]




