Ady amin’ny fahantrana? Izay no lehibe sy maika ary imasoana hatramin’izao. Efa elaela ihany izay… Mby aiza? Tsy hita be ihany. Toa vao mainka mihamihombo sy mitombo aza ny fahantrana. Midangana ny vidim-piainana, tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana… Manampy trotraka ny haintany, mitarika fahasahiranana amin’ny famokarana, famatsian-jiro sy rano… […]
Mois : février 2025
Ceni : Miandry ny Filankevi-panjakana ny famerenana fifidianana
Nitondra fanazavana manoloana ireo fifidianana ben’ny Tanàna haverina ny eo anivon’ny Ceni. Nambarany fa misy ny dingana arahana amin’izany. “Araka ny voalazan’ny fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana: misy 12 ireo kaominina hoe haverina ny fifidianana. Misy amin’ireo kaominina ireo anefa no nampiakatra ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana”. Io […]
TSELATRA
Lehilahy iray, mpangalatra moto, voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Kaomisaria 67ha, ny 8 febroary lasa teo tamin’ny 1 ora maraina. Tratra nanosika io kodiaran-droa io izy nefa tsy nahitana taratasy manamarina izany. Nihaiky ny tenany fa vao avy nangalariny io kodiaran-droa io. Hatolotra ny fitsarana izy aorian’ny fanadihadiana. Taksiborosy […]
Famonoan-tena: Renim-pianakaviana hita faty nihantona
Vehivavy 24 taona hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Manambolosy, distrikan’i Mananara Avaratra, afakomaly. Nofatoran’io renim-pianakaviana io tamin’ny hazon-tafo ny lamba mahazaka tao aminy. Nahodiny tamin’ny faritry ny tendany izany. Nanampitra ny ainy io tady nahantony io. Mponina manodidina azy ireo no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa. […]
Tsy fandriampahalemana : Mirongatra ny hala-boty isan-karazany
Mirona amin’ny fanaovana hala-boty isan-karazany ny ankamaraon’ireo mpanao asa ratsy any amin’ireo kaominina maro samihafa eto amin’ny Nosy. “Nirongatra izany tao anatin’ny iray volana izay, ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo manokana”, hoy ny solombavahoaka voafidy any an-toerana, Rakotoarisoa Johnny. Anisan’izany, ny halatra akoho, kisoa, omby, mangahazo sy ny maro hafa. Vao nahitana […]




