Mois : février 2025

Loholona Rakotondrazafy Lalatiana : “Mariky ny fahatokisana no nanendrena ahy”

Voatendrin’ny filohan’ny Repoblika ho loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Naneho ny heviny avy hatrany ny tenany, manoloana izany. “Mariky ny fahatokisan’ny filohan’ny Re­poblika no nanendrena ahy”, hoy ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, ta­min­’ny mpanao gazety, taorian’ny lanonana nametrahana samboady azy teny amin’ny Lapan’ny Antenimieran­doho­lona, Anosy, omaly. Nita­rika ny lanonana ny filohan’ny Anteni­mieran­doholona, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitotaly 10 000 ireo zana-trondro narotsaka ao amin’ny farihin’Ankadinondry Sakay nandritra ny fambolen-kazo natao tany an-toerana. Nisitraka zana-trondro ihany koa ireo fikambanan’ny mpanjono mba hahafahany mampiroborobo ny fihariany sy hanatsarany ny velo-tenan’ny tsirairay. Vita ny 93% ny asa fanarenana ny lalam-paritany, RIP71, ampahany voalohany, mampitohy an’­Imerintsiatosika (RN1) sy Ambohimiarina. Mirefy 12,95 […]

Toekarena ; Nitotongana ny vokatra naondran’ i Madagasikara

Nihena 17,2% ireo entana naondran’i Madagasikara ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023 noho ny fitotongan’ny harinkarena faobe. Na­nampy trotraka izany ny fihenan’ny vola azo tamin’ny fa­non­dranana lavanila, jirofo, nikela sy kobalta ary ireo vokatry ny orinasa afakaba. Nidina 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny […]

« Forum économique du secteur privé »: Hisongadina ny vokatra malagasy

Hotanterahina ny 2 sy 3 mey, any Genève, ny « Forum économique du secteur privé Madagascar, terre d’opportunités » izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Hetsika karakarain’ny Federasion’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny Antenimieran’ny […]