Mois : février 2025

Atsimo sy Atsimo Atsinanana: Nampiana ireo drones mitatitra fanafody

Nifarana ny tetikasa vatsian’ny Japon vola, “Fam­piasa­na ny paikady sy ny teknolojia vaovao hamonjena ny ain’ny vehivavy sy ny zatovovavy eto Madagasikara”. Teti­kasa mifototra amin’ny fa­hasalamana niarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Ta­hirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) ary notohanan’ny Japon. Nanamarihina ny fifaranan’ny tetikasa tao Ranomafana ny fandefasana ny […]

Tily eto Madagasikara : Mikarakara fikaonan­dohan’ny fanabeazana

Hisy ny fikaonandoham-pirenen’ny fanabeazana Skoto eto Madagasikara, « Karajia », hotanterahina ny 22 sy 23 mey ho avy izao. Hetsika karakarain’ny Tily eto Madagasikara. Iarahany miasa amin’ny laboratoara akademika sy ny laboratoara fikarohana momba ny fanabeazana… Tanjona ny hiresahana momba ny paikady vaovaon’ny skotisma maneran-tany hisian’ny fampifanarahana tsara kokoa amin’ny sehatra nasionaly […]

Soja Fulgence: Tsy laharam-pahamehan’ny fanjakana ny olona manana toe-tena varira

Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira ary tena sahy miteny fa tsy mba laharam-pahamehan’ny fanjakana izy ireo. “Misy ny tsimatimanota ary matimaty foana izahay”, hoy ny filohan’ny fikambanana Soja Fulgence. Mafy ny taona 2024 ho an’ny fikambanana manana toe-tena varira. Niha mivaivay ny tsy fandriampahalemana. Nahatratra 24 ny tranga fakana […]

Lanto Ratsida: Manery antsika hahaleo tena ny fanafoanana ny USAID

Miteraka adihevitra eo amin’ny mpanara-baovao ny fanapahan-kevitry ny amerikanina ny hampitsahatra ny USAID. Milaza ny heviny kosa ny mpandinika fiarahamonina, Lanto Ratsida, ary navoitrany fa fotoana manery an’i Madagasikara hahaleo tena ara-bola izao zava-misy izao. Manoloana ny fahatapahan’ny famatsiam-bolan’ny Sampan­draharaha amerikana misahana ny Fampan­drosoana iraisam-pirenena USAID, maneho ny heviny i […]

TARATRY ny KANTO

Namoaka ny « Fihisa » i Damily. Rakikira vaovaon’ity Malagasy mpanakanto anisan’ny mivoy maneran-tany ny tsapiky ity io. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ka efa azo jifaina amin’ireo tambajotra fanjifana mozika maneran-tany izany. Navoakany amin’ny endriny kapila fihaino koa izany. Manohy ny andiam-pampisehoana hataony any ivelany ihany Damily sy ny […]