Taona 2015, nanomboka namoron-kira mitaiza fanahy, hifikitra mandrakariva amin’ Andriamanitra i Ruidy Manampisoa. Mira zotra amin’io ny fanomezana fahafinaretana ny saina amam-batana amin’ny alalan’ny kanto. Anisan’ny mampiavaka ny tarika entiny ilay fananana tononkira mora raisina, mahitsy amin’ny fampitana ireo hafatra sahaza ny isam-batan’olona sy sokajin-taona rehetra. Mirona kokoa amin’ ny […]
Mois : février 2025
“RDJ Mozika” : Inona ny ho “mozikan’ ny taona 2024”?
Tapitra omaly zoma tamin’ny 12 ora ny fifidianana ho an’ny daholobe. Miandry ny hetsika goavana rahampitso, hanatontosana ny “RDJ Mozika 2024” ny rehetra. Araka ny efa nampahafantarana, ny mozika no mifaninana sy hasongadina, ka notsinjaraina ho sokajy 26 izany tamin’ity. Manampy ireo kosa izay ho “Mozikan’ny taona 2024”, notsongaina tamin’ireo […]
“Festival Surajkund Mela” any Inde : Voaasa handray anjara indray ny Maf’B
Mpanakanto mpanao dihy sy mozika, notsoingaina manokana. Toy ny ekipam-pirenena hitondra avo ny kolontsaina malagasy ny Maf’B, izay lasa any Inde. Nisokatra omaly ny “Festival The Surajkund International Crafts Mela”, andiany faha-38. Miendrika foarabe midadasika izy ity, izay fanao any Surajkund Haryana, any Inde, isaky ny volana febroary. Nisokatra omaly […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ireo tonga nanome voninahitra ny fahatsiarovana ireo lavo teny Ambohitsorohitra tamin’ ny “Raharaha 7 febroary 2009” ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nametraka fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato teny Antaninarenina ho fanamarihana izany ny tenany, omaly. Tsy mbola tratra ny tanjona ho an’ny fanovana tamin’ny tolona natao, araka ny nambaran’ny filoha […]
Fanaraha-mason’ny Safidy : “5,48% ny vehivavy voafidy ben’ny Tanàna”
Na nihatsara aza, mbola ambany. 93 (5,48%) amin’ny 1 695 ny vehivavy voafidy ho ben’ny Tanàna. Avy amin’ny Irmar ny 53 amin’izany, 30 tsy miankina, ary 10 avy amin’ny antoko hafa. Io ny tatitry ny Safidy teny Ambatonakanga, omaly, ny fandraisana anjaran’ny vehivavy tamin’ny fifidianana kaominaly teo. Misy faritra manana vehivavy […]




