Mois : février 2025

Tsy maty momoka

  Niara-nahatsiaro ny vonomoka natao ny mpiray tanindrazana, ny andron’ny 7 febroary 2009 ny Malagasy, omaly. Andro maizina teto an-drenivohitra noho ny fisian’ny faty niampatra, nitaky ny fanovana. Tsy vitan’ny nandrodana ny fitondrana fa nivadika ho fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny fitondrana ankehitriny ihany koa izany. Nanomboka teo ny “ […]

Andriamananoro Augustin : « Tolo-panafahana ny tamin’ny 7 febroary 2009 »

7 febroary 2009- 7 febroary 2025. 16 taona omaly ny hetsi-bahoaka teny Antaninarenina tamin’ny 2009. Notsarovana omaly izany. «Tolo-panafahana ni­rai­san’ny vahoaka tamin’ny 2009 nandrodanana ny jadona. Voa­rakitra eo amin’­ny tantara izany. Anja­ran­tsika ankehitriny ny manome hasina sy lanja ny ra latsaka tamin’izany”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimie­ram­pire­nena, faritany Anta­nana­rivo, […]

TSELATRA

Tratran’ny zandary omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina ny fiara mpitatitra nitondra rongony tany ambony fitoeran’entana. Voasakana sy voasava teo Ankadi­maimbo, fokontany Ambohibary, kaominina ambanivohitra Analavory, distrikan’i Miarinarivo izy io. Tratra, nandritra izany, ny rongony 15 kilao efa vita tao anaty sakaosy sy ny tompony. Saika hamidy any amin’ny […]

Valifaty tsy tontosa : Olona telo voasambotry ny zandary

Nosamborin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely ireo telo mianadahy atidoha nikasa hanao fakana an-keriny, ny 6 febroary teo. Zazalahy 4 taona zanak’olona fantatr’ireo olon-dratsy nokasainy hatao takalonaina. Niantso tamin’ny alalan’ny finday, nitaky lelavola 40 tapitrisa Ar tamin’ny renin’io zaza io ireo mpiray tsikombakomba. Nitohy ny fampitahorana fa alain’izy ireo any […]

Ambohidratrimo : Tratra ireo mpandroba taxi-moto

Telo mianadahy nandray anjara tamin’ny fandrobana taxi-moto voasambotra ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Mandrosoa Ivato, omaly. Renim-pianakaviana nilaza hitondra hazandrano teny Alakamisy Ambohidratrimo, ny 13 janoary lasa teo, tamin’ny 4 ora hariva. Nentin’ilay mpitondra taxi-moto izy. Niova tampoka teny am-pandehanana ny toerana naleha. Novain’ilay ramatoa ho any Fiakarana indray no […]