Mois : février 2025

VAOVAO TAMBATRA

Hanampy amin’ny famokarana herinaratra amin’ny RIA ny tetikasa « Tana Medium Ring ». Hanangana zotra mpitatitra herinaratra 90KV, mirefy 193 km, ny tetikasa. Hamafisina ireo zotra efa misy ka hatsangana ny « sous-stations » miisa 8 ao Antsipolitra, Antsirabe I, Antanifotsy, Behenjy, Tana Sud II, Ambohijanaka, Tana Ouest II, ary Imerintsiatosika. Hiasa manomboka amin’ity […]

Tambajotra Soa: Tohana nanatsarana ny famokarana

Mikendry ny hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Ma­dagasikara ny tetikasa Sanbonai. Miara-miombon’antoka amin’ny fikambanana Mpamboly frantsay sy fampandrosoana iraisam-pirenena (Afdi). Nahazo tohana ny tambajotra Soa, ka voakasiky ny tetikasa ny faritra Anala­manga, Bongolava ary Itasy. Nambaran’ny filohan’ny tambajotra Soa, Razafimbololona Angéline, fa “paikady notratrarina ny vahaolana hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro. […]

Hampiakarana ny voka-bary: Nahazo ny masomboly safiotra i Vakinankaratra

Tafiditra ao anatin’ny paikady hampitomboana 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary eto amintsika ny fampiasana ny masomboly safiotra. Nahazo ny anjarany i Vakinankaratra. Taorian’ny tany Alaotra, natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny ma­som­boly vary safiotra, ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Mi­isa 70 ny kaoperativa tantsaha nahazo ny anjarany, miaraka amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Nasiam-panavaozana ireo tahirin-kevitra entina manofana, manaraka ny toromarika avy amin’ny OMS, ny taona 2023. Mahakasika ny fandraisana an-tanana ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony sy mahery vaika tsy misy fahasarotana izy io. Nezahina hifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara izany. Vita hatramin’ny 80% ny asa fanavaozana. Mamaramparana ny […]