Mois : février 2025

Fahasalamana: Voazara ny andraikitra, omena sehatra ny eny ifotony

Naharitra telo andro ny fihaonan’ny tomponandraikitra misahana ny fahasalamana, niarahana tamin’ireo fitaleavana ao amin’ny foibe sy ny isam-paritra, notarihin’ny minisitra, Randriamanantany Zely. Tanjona ny hisian’ny fizarana andraikitra mazava eo amin’ireo mpiara-miasa rehetra hanasongadinana ny vokatra. Nivoitra tamin’izany ny tokony hanamafisana sy ha­na­tsarana ny fitantanana ny seha­tra ara-pahasalamana hiainga eny ifotony. […]

Tetikasa “D-Clic” : Tanora 11 nahavita fiofanana

Notontosaina, omaly, tetsy amin’ny QG Tanora Ankoron­drano, ny lanonana fanomezana fitaovana sy mari-panka­sitrahana ho an’ny tanora niatrika fiofanana momba ny asa niomerika, na ny tetikasa “D-Clic”. Miisa 11 mianadahy izy ireo no nisitraka izany teny an-toerana. Ny fitaovana niomerika toy ny ordinatera, ny finday … no nomena azy ireo tamin’izany. […]

Fampianarana paramédicaux : Sekoly tsy miankina 70 amin’ny 172 tsy ara-dalàna

Mitohy ny fanairana ataon’ny Conim amin’ireo sekoly sandoka mbola mikiry mampianatra momba ny paramédicaux. Maro ireo mpianatra nivoaka amin’ireny ary lasa milalao ain’olona. Manaitra ny fanjakana ny Conim. Maro ireo tanora mpianatra paramédicaux nivoaka tamin’ny sekoly tsy miankina tsy ara-dalàna no diso fanantenana aorian’ny fianarany. Satria, tsy mahazo diplaoma manana […]

TARATRY ny KANTO

Rija Ramanantoanina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela indray tsy tao amin’ity toerana mahazatra azy ity izy. Hampiara-peo amin’i Yrinaf i Rija anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hitrotro azy ireo kosa ireo mpitendry efa mahazatra, Toa an-dry Fy Rajaofetra, Datita Rabeson, Rindra Rakotosaonina ary Sandratra. Natokana ho […]

Foaran’ny boky tetsy amin’ny IFM: Mbola maro ny liana amin’ny vakiboky

Alakamisy vao mangirandratsy, tanaty erika nifafy, fa efa nisy nilahatra nanoloana ny IFM Analakely. Niandry ny fisokafan’ilay “Foaran’ny boky” ireo olona ireo. Ta­min’ny 9 ora katroka no na­nomboka ny varotra, ka efa tafahodina tany Tsaralalàna, tafaverina teo Analakely ny filaharana. Porofo izany fa mbola maro ireo liana amin’ny vakiboky. Raha […]