Vonona ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny « Passion Pétanque Française » (PPF 2025). Nanainga herinandro mialoha ny fanombohan’ny fifaninanana ry zalahy, ho fanomanantena amin’izany. Nihazo an’i Frantsa, omaly, ny ekipa malagasin’ny tsipy kanetibe, hiatrika ny « Passion Pétanque Française » (PPF 2025). Fifaninanana tanterahina any Aix en Provence, ao […]
Mois : février 2025
FANTINA sy FINTINA
Notakin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny hitaterana ao anatin’ny fotoana fohy ireo fitaovana rehetra ilaina hanatontosana ny fihaonana an-tampon’ny COI, hatao eto amintsika ny volana avrily izao. Hifarimbona amin’izany ireo minisitera sy ny governora ary ny ben’ny Tanàna… Nirary soa ny filoha nasionalin’ny Tim, […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahaiza-manao sy ny fahendrena…”
Mbola nanantitrantitra hatrany amin’ireo ben’ny Tanàna ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, eo amin’ny fitantanana ny kaominina. Nanafatra ireo mpitantana eny ifotony tany Ankazobe ny tenany. Nambarany fa mafy ny asa miandry ny ben’ny Tanàna ary efa niaina izany ny tenany fony nisahana izany […]
Ala-safay !
Raikitra indray ny fotoana fambolena hazo eto amin’ny tanàna. Samy serintseriny avokoa ny mpiasam-bahoaka, eny anivon’ny minisitera sy ireo rantsamangaikany. Manao izay ho afany amin’ny fandrakofana ny vohitra, samy mikendry ilay famerenana an’i Madagasikara maitso. Dia rodorodo goavam-be tokoa anie no ataon’ny minisitera rehetra. Milamina sy mipetrapetraka ery ny […]
Tetikasa TAFITA – MFFT : Hizara karatany maherin’ny 60 000
Nozaraina omaly, tany amin’ny kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe, ny karatany miisa 25 668, amin’ny alalan’ny tetikasa Tafita. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nambaran’ireo nandaha-teny fa anisan’ny nampihena ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ankazobe iny izao hetsika izao. “Tsy misy intsony […]




