Mois : février 2025

Ankadikely Ilafy: Lehilahy nahatrarana fitaovam-piadiana

Nosamborin’ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nahatrarana basy tsy ara-dalàna tao Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 4 febroary teo. Naharay fampahafantarana tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa mitondra fitaovam-piadiana mandehandeha io lehilahy io. Nidina nijery ifotony ny raharaha ny polisin’ny UIR. Nosavaina ilay voatondro ka nahatrarana pistolet calibre 7,65 mm. […]

Maty teny Ambohitrimanjaka: Natao fombafomba vao hita ny razana

Nanaovana fombafomba araka ny fanaon’ny mponina eny an-toerana ny fitadiavana ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy 23 taona, maty namono tena tao amin’ny ranon’Ikopa, teny Ambohitrimanjaka, ny alahady tamin’ny 8 ora alina lasa teo. Tonga teny amin’ny ranon’Ikopa ireo fianakaviana sy ny fokonolona nanatanteraka izany, ny alatsinainy maraina. Rehefa tsy nahita azy teny […]