Mois : février 2025

Fivorian’ny COI hatao eto Madagasikara : Manomana ny fahatongavan’ny filoha frantsay ny MAE

Efa miroso tsikelikely ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) ka handraisana ireo filoham-panjakana maromaro eto amintsika. Araka izany, niompana amin’ny hitsidihan’ny filoha frantsay, Emma­nuel Macron eto Madagasi­kara ny fifampiresahana an-telefaonina teo amin’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitra misahana an’i Eo­ropa sy ny Raharaham-bahiny […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja avokoa ireo olona 18 voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza varira tany Foroforo, Vohipeno, ny 8 febroary 2025 lasa teo, araka ny tatitra voaray avy amin’ny groupement Fitovinany. Nalefa eny Tsiafahy ireo lehilahy 14 tamin’izy ireo. Raha toa ka eny Antanimora kosa ireo vehivavy efatra hafa. Marihina fa […]

Takalonaina tany Bemanevika: Votsotra teo an-tanan’ny jiolahy ny mpiambina

Votsotra teny an-tanan’ireo dahalo enin-dahy, nampiasa fitaovam-piadiana sy misaron-tava ny lehilahy 24 taona, mpiambina ny orinasa iray any Bemanevika, Bevon­drona, fokontany Malama­maina, kaominina ambanivohitra Brieville, distrika Tsa­ratanàna, afakomaly tamin’ny 8 ora alina. Tafaporitsaka avokoa ireo dahalo enina voalaza ireo, nandritra ny fifanjevoana tamin’ny mpitandro filaminana tonga nandrava ny asa ratsiny […]

Toamasina : Miverina indray ny fitsaram-bahoaka

Amin’ny ankapobeny, manomboka miverina indray ny fitsaram-bahoaka any Toamasina, amin’izao fotoana izao. Kivy amin’ny trangan-javatra ataon’ny fitsarana ny vahoaka satria votsotra avokoa ny ankamaroan’ny olon-dratsy rehefa avy notsaraina. Misy ihany koa ireo tafavoaka ny fonja fa tsy mipetraka ela any, raha ny zava-misy. Miverina mandrahona ny mponina sy ny mpitory […]

Fakana an-keriny : Olona sivy voasambotra, vehivavy mpampiantrano ny iray

Anisan’ny mampikaikaika sy mampanahy ny mponina ny trangana fakana an-keriny amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Anisan’ny ahitana izany ny any amin’ny distrika Maevatanàna, Anjo­zo­robe, Ankazobe, sy ny maro hafa. Ho an’ny tany Maeva­tanàna manokana, olona sivy, malaza amin’ny fakana an-keriny no azo sambo-belona, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany […]