Miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny oniversite. Miara-miatrika aminy amin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany.
Samy nitondra ny traikefany sy nifampizara momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo mpampianatra mpikaroka, mpianatra, foibe fikarohana ary ny mpiara-miombona antoka. Fa teo koa sady niahy izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny ao amin’ny fiadidiana ny oniversite, ny Pr Ravaomanarivo Lalaharivao, fa anisan’ny misehatra amin’ny fikarohana tokony hatao hiatrehana izany fiovaovan’ny toetr’andro izany ny anjerimanontolo. “Ankasitrahana ny MFFT fa tena anatin’ny fikarohana ataonay izany satria samy manana andraikitra avokoa ny rehetra hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro”, hoy izy, teny Ankatso, ny herinandro teo. Natsidiny fa hampita ny traikefa sy ny fahaiza-manao amin’ireo mpianatra ary hanentana izy ireo aorian’izao fifampizarana sy ny adihevitra izao.
Nambaran’ny lehiben’ny sampandraharaha ho an’ny fampiroboroboana ny tanàn-dehibe eo anivon’ny MFFT, Rahanitrarivony Sitraka, fa nahafahana nanaparitaka ny torolalana ny fifanakalozana tahaka izao. “Anisan’izany ny momba ny fanorenanana fotodrafitrasa hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny drafitra an-tanàn-dehibe. Tafiditra ao anatin’izany ny Oniversite amin’ny fikarohana sy ny famolavolana ireo tanora hiantsehatra any aoriana”, hoy izy. Nanteriny fa zava-dehibe ny fifampizarana ahafahana miatrika mialoha izany fiovaovan’ny toetr’andro izany.
Synèse R.




