Fahatsiarova ny 11 oktobra : 40 tapitrisa Ar ho an’ny fianakavian’ilay kaporaly maty

Notanterahina tany Brickaville, ny fitokanana ny tsangambato ho fahatsiarovana ny Kaporaly Ramananjanahary Stefano Jacquis. Miaramila voatifitra nadritra ny hetsika Gen Z 2025 ka nidiran’ny miaramila an-tsehatra. Nomen’ny fanjakana fanampiana 40 tapitrisa Ar ny fianakaviany.

Notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repo­blikan’i Madaga­sikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Ambalana­kondro, Brickaville, Faritra Atsinanana, omaly, ny tsangambato fahatsiarovana ny kaporaly Ramananjanahary Stefano Jacquis. Miaramila lavo nandritra ny tolona tamin’ny 11 oktobra 2025 izy. Tamin’ny niakaran’ny miaramila avy ao amin’ny Capsat teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely, izany, taorian’ny fanambaran’ny miaramila notarihin’ny kolonely Randria­nirina Michaël, ny tsy fanekena ny fampijaliana sy famonoana vahoaka nataon’ny mpitandro filaminana noho ny hetsika fidinana an-dalambe nanomboka ny 25 septambra 2025.

Fanampiana

Nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo ny tsangambato ho fanajana azy. An­koatra izany, notoloran’ny fitondrana Fanavaozana vola 40 tapitrisa Ar ny fianakaviana ho fanampiana azy ireo. Eo koa ny handraisan’ny fitondram-panjakana an-tanana ny saram-pianaran’ny zanany.
Niara-dalana tamin’izany, nandritra valandresaka fohy ho an’ny mpanao gazety teny an-toerana, nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana fa mbola tsy vita ny tolona. “Menatra aho fa mbola mahazo vahana ny kolikoly eto amintsika”, hoy izy. Izay no mbola hanohizana ny ezaka amin’ny tolona fanavaozana. Raha ny momba ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa, malalaka izany. Na izany aza, raha misy ny fisamborana: endrika fanakorotanana, ka tsy azo ekena.

Sajo sy Ramy

Partager sur: