FANTINA sy FINTINA

Ireo tsy nitolona sy ireo mpisolelaka indray no nahazo toerana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Vondron’olona miaro ny fitondrana (VMF), Falson Jocelyn Rantenaina, ny herinandro teo. Notsiahiviny fa nivadika amin’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry izy nandritra ny tolona. « Tsy mbola nahazo toerana amin’ny fanavaozana izahay hatramin’izao », hoy izy.
Mitohy ny hetsika fameloma-maso ny antoko Tim. Anisan’ny nanatanteraka izay ny tao amin’ny distrikan’i Vavatenina, Analanjirofo ny asabotsy teo. Nomena toromarika ireo mpikatroka eny ifotony hanentana ny mpiaradia sy ireo feno taona mba hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Eo koa hanavaozana ny rafitry ny antoko eny ifotony.
Hivoaka amin’ny febroary 2027 ny andiany voalohany avy amin’ny Akademia MMM. Anisan’ny nifantohan’ny fanofanana ny fandraharahana, ny fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka. Eo koa ny fahaiza-mitarika ; ny etika sy fahitsiana ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. « Tena ilaina ny fahalalana fototra ho an’ny tanora hanao politika », hoy izy ireo.
Mpandrindra ny VFM ho an’ny distrikan’i Mandoto ny depiote, Rakotorahalahy Modeste, miaraka amin’ireo ben’ny Tanàna. Nohamafisin’izy ireo fa tsy antoko politika izy io. « Vondrona hikambanan’ireo olom-boafidy manohana ny fitondrana. Tsy mifidy loko politika fa kosa mitovy hevitra amin’ny hanavaozana an’i Madagasikara », hoy izy.

Partager sur: