Mois : mars 2025

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “Invictador Jiu Jitsu Tournament”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Klioba maro no nandray anjara ka nahazo ny anaram-boninahitra betsaka sy voahosotra ho mendrika indrindra ny Checkmat, manaraka azy ny Southside ary ny fahatelo ny Guerreros. Nahavita ny fiadiana ny tompondakany avy […]

Cross-country – Mada 2025: Tompondaka i Soja sy i Marie

Tontosa soa aman-tsara tany Ihosy, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja cross-country. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMA). Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Senior, vehivavy, i Sendrafefinirina Marie avy amin’ny Cam Itasy. Vitany tao anatin’ny 35 mn 19 s ny halavirana 10 km. Resiny, Ralisinirina Mathe, avy […]

Tsipy kanetibe: Lasan’ny ekipan’ny UBM ny vola 2 tapitrisa Ariary

Nanjakan’ny ekipan’ny UBM Ambohitrimanjaka ny famaranana teo amin’ny sokajy Sénior, lehilahy, nandritra ny fiadiana ny amboara nanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Lasan-dry zalahy ny lelavola sy ny amboara. Norombahin’i Rija sy Yves ary i Jacky, mpilalaon’ny UBM Ambohitri­man­jaka ny lelavola 2 tapitrisa Ar miampy amboara teo amin’ny […]

Raboanaritompo Jessica Soary : Manana tanjona hitarika ny vehivavy hitia fanatanjahantena

Nanaovana fanadihadiana mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina ilay mpikatroka karate, Jes­sica Soary. Manana fanamby goavana ny tenany ary hiezaka hatrany izy hanatratra izany. Amin’izao fotoana izao, mbola maro ny vehivavy tsy afaka mivelatra amin’ny sehatra maro. Manoloana izany, miezaka ny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vehivavy eo […]

Fambolen-kazon’ny ANTM : Hamelo-maso ny zavamaniry fanao fanafody

Nanatanteraka fambolen-kazo tany Ankazomalaza, Ambohimanga Rova, ny Fi­kamb­anan’ny mpitsabo nentim-paharazana (ANTM), ny faran’ny herinandro teo. Efa nanatanteraka izao hetsika izao izy ireo tao anatin’ny efa-taona nisesy. Hetsika natao hitarihana ny mpikambana rehetra mba hiaro ny tontolo iainana, araka ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny ala. 15 000 eo ho eo ireo […]