Mois : mars 2025

Andro afrikanina ho an’ny skoto : Nahomby ny hetsika natao teto Madagasikara

Nofaranana tetsy amin’ny Kianjan’ny Barea Mahama­sina, ny sabotsy teo, ny fankalazana ny Andro afrikanina ho an’ny skoto, andiany faha-15. “Nahomby ny hetsika natao teto Madagasikara nandritra io fankalazana io, porofon’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa natao”, hoy ny Com­missaire général de la Fédé­ration du scoutisme eto Mada­gasikara, Botolahy Ernest Angelo. Nahafahana nanao […]

Rajoelina Mialy : Nitondra fanampiana ho an’ ny tokantrano 160 traboina

Tsy manadino ireo mpiray tanindrazana traboina vokatry ny fahavakisan’ny fefilohan’Imamba ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Nitondra tohana hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mponina izy ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano. Nanatanteraka hetsika ara-tsosialy nentina na­no­hanana ireo fianakaviana traboina noho ny fahavakisan’ny fefilohan’Imamba, distrika Avaradrano, ny fiadidiana ny Repoblika. Tamin’ny alalan’ny […]

Minisitra Marson Moustapha Abdulah: « Zava-dehibe ny fitaizana skoto »

Nankalazaina afakomaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny andro afrikanina ho an’ny skotisma, andiany faha-15. Tonga nanatrika izany ny ray mpiahy ny hetsika, i Marson Moustapha Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Nambarany nandritra ny lahateniny fa zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana tanora voataiza amin’ny fomba skoto. […]

Fifanintsanana « Mondial 2026 » : Niatrika fanazaran-tena i Couturier sy i Tommy Iva

Afaka roa andro eo sisa, hifandona amin’ny les Fauves Centrafrique ny Barea de Madagascar. Fihaonana hatao any Maroc, ny alarobia 19 marsa ho avy izao, ary tafiditra amin’ny andro fahadimy, fifanintsanana “Mondial 2026”. Araka ny vaovao voaray omaly, efa tonga any Maroc, ny mpilalao milaravinahitra toa an-dry Clement Couturier sy […]