Mois : mars 2025

Minisiteran’ny Fambolena: Ady amin’ny kolikoly any amin’ny faritra

Napetraka ny rafitra hiadiana amin’ny kolikoly eny anivon’ny Fitantanam-paritry ny fambolena sy ny fiompiana (Drae) faritra Atsinanana. Tonga tany Toamasina, ny 5 marsa teo, ny rantsamangaikan’ny Bianco ao amin’ny minisitera Minae (UAI­ LCC/ Minae), nihaona tamin’ny mpiasa any an-toerana. Nohazavaina ny paikady mifanaraka amin’ny Politka ankapoben’ny fanjakana (PGE) isaky ny […]

Fampandrosoana : Hamafisina ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina

Voaresaka nandritra ny fikaonandohan’ ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ireo paikady maharitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Mila hamafisina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena. Vaindohan-draharaha ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatry tsy miankina. Ni­fanakalo hevitra momba ireo paikady maharitra […]

Fiarovana ny tontolo iainana : Hamboly hazo ny fikambanana Manda

Hotanterahany ny sabotsy izao, eny amin’ny renivohitry ny distrika, ao Andramasina, ny fambolen-kazo iarahana amin’ny fikambanan’ny Mpianatra andrin’ny distrikan’ Andramasina (Manda). Nambaran’ny filoha mpitarika, Ranarizafinjato Hilaire, fa hanasana ireo raiamandreny sy mpitantana amin’ireo kaominina miisa 14 eo anivon’ny distrika izao hetsika izao. Hitohy amin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao izany […]

Fihaonana tamin’ny praiminisitra: Manohana ny PGE ny Vondrona eoropeanina

Nitsidika ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, teny amin’ny Lapam-panjakana Maha­zoarivo, omaly, ireo delegasiona avy amin’ny Vondrona eoropeana (UE). Nitarika izany ny masoivohony miasa sy monina eto Madagasikara, Roland Kobia. Niaraha-nandinika nandritra izany fihaonana teo amin’ny roa tonta izany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. […]

“Vehivavy mitafa”: Hanasongadinana ny fahaiza-manao

Nosofakana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny zari­dainan’Antaninarenina, omaly, ny hetsika “Festival à voix haute”, “Vehivavy mitafa”. Hetsika karakarain’ny Kaomi­nina Antanana­rivo Renivohitra sy ny faritra Île de France, mpanohana ny hetsika. Tanjona ny hanasongadinana ha­trany ny fahaiza-manaon’ny vehivavy. Eo koa ny fisian’ny firaisankina amin’ny fiadiana ny zo eo amin’ny lahy sy ny […]