Mois : mars 2025

Ceni : Hanao fifidianana loholona

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ny mpampakateny, Soava Andriamarotafika, fa eo am-pandrafetana ny hanatontosana ny fifidianana ireo ho loholona izy ireo. Natsi­diny fa tokony hotanterahina ny novambra amin’ity taona ity izany ary tokony ho tafapetraka ny fiandohan’ny taona 2026 ny mpikambana handrafitra ny Antenimierandoholona. Efa ho tapitra ny fe-potoam-piasan’izy ireo. […]

Jly Ravalomanana Richard: “Havaozina ny rafitry ny fandriampahalemana”

Nitsidika ny filohan’ny Ante­­nimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosikely, ny solontena ma­nokana avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), Alice Nzomu­kunda, omaly. Noresahina ta­min’izany ny atrikasa mom­ba ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny lafiny fandriampahalemana sy ny filaminana, ka­sain’ny UA hatao eto Mada­gasikara. Niantsoan’izy ireo ny Jly Ravalomanana Richard izany mba […]

Fako sy ny fifamoivoizana: Miara-miasa ny MFFT sy ny CUA ary i Japon

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny delegasionina Japoney, eo anivon’ny Jica. Anisan’ny niompanan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny hijerena ny fanatsarana an’Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ilay tetikasa lehibe iarahana amin’ny masoivoho japoney ho an’ ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica) momba ny […]

Fitantanana: Ho amin’ny tombontsoa iombonana ny politika sy ny fanjakana

Mahabe resaka ny sasany ny hoe politika sy fanjakana; eny, na ny governemanta aza. Indraindray, mila hifangaro be ihany… Inona ny marina? Ho amin’ny tombontsoa na soa iombonana ny hoe politika sy fanjakana. Andrana fanadihadiana… Manondro tanàna voalamina ny hoe politika amin’ny teny grika fahiny. Midika hoe lalàmpanorenana sy olom-pirenena […]

TARATRY ny KANTO

«Gasy Gasy Anat’sah». Tafaraka eny Anat’Sah, sampanana «art malagasy» Ambohi­trimanjaka indray i Kolibera sy i Nini ary Eric Rason. Seho hotanterahina ny 22 marsa izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Araka io lohateny io, hisongadina mandritra ny seho ny fahaizan’ireto mpanakanto ireto mifehy ny gadon-kira gasigasy. Hanokatra ny seho ny […]