Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, ny faran’ny herinandro izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1B sy U16. Anisan’ny hifandona amin’izany ny ekipan’ny ASSM sy ny NBE, eo amin’ ny sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Anisan’ny nitondra ny anjara […]
Mois : mars 2025
Rallye – Mada 2024 : Hatolotra etsy Soarano ny amboara
Hotanterahina ny sabotsy 15 marsa ho avy izao, ny lanonana fanolorana ireo amboara ho an’ireo mpandresy sy tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny taom-pilalaovana 2024 eo amin’ny taranja hazakazaka fiarakodia. Raha tsiahivina, voahosotra teo amin’ny sokajy rallye, Andrianjafy Mathieu, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm. Tompondaka lefitra Ratsimbarisoa Herman, avy amin’ny TMF. Raha ho […]
Ekipa nasionaly malagasy: Mpilalao vaovao dimy hantsoina hanatevina ny Barea
Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Ho fantatra rahampitso ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly. Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fotoana izao, mpilalao dimy vaovao no nantsoin’i Corentin Martins, Frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy, handrafitra […]
Fanatsarana an’Antananarivo: Skoto 18 000 hifanolo-tanana amin’ny CUA
Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana skoto nasionaly, ny fikambanan’ny Mpanazava, ny Hetsika skoto, ny Tanora advantista ary ireo skoto anarivony maro. Haharitra herintaona ny fiaraha-miasan’izy ireo. Tanjona ny hampirisihana ny mponin’Antananarivo handray ny andraikiny ho olom-pirenena tomponandraikitra. Manodidina ny 18 000 ireo skoto handray […]
Rakotobe Kristinà: Malagasy voalohany hiatrika ny “March Madness”
Noho ny fandresena azon’ny ekipany UNC Greensboro tamin’ny fifaninanana “Tournoi de conférence”, ny faran’ny herinandro teo, nahazo ny tapakila hiatrehana ny “March Madness”, ny Malagasy mpilalao basikety, Rakotobe Kristinà. Izy no Malagasy voalohany hiatrika ity fifaninanana anisan’ny goavana ho an’ny basikety amerikanina eny anivon’ny Oniversite ity. Lalao goavana fanao isan-taona […]




